Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Saoly

Saoly

(Sôly) [Nanontaniana [An’Andriamanitra]; Nofotorana [Tamin’Andriamanitra]].

1. Mpanjakan’i Edoma fahiny, ary ny anarany no voatonona fahenina. Nandimby an’i Samla izy, ary nodimbiasan’i Bala-hanana. Avy any “Rehobota eo amoron’ny Renirano” izy.​—Ge 36:31, 37, 38; 1Ta 1:48, 49.

2. Zanakalahin’i Simeona sy ny vehivavy kananita iray, ary ny anarany no voatonona farany. (Ge 46:10; 1Ta 4:24) Izy no niavian’ny fianakavian’ny Saolita anisan’ny Simeonita.​—Ek 6:15; No 26:12, 13.

3. Benjamita iray zanak’i Kisy. I Nera no rain’i Kisy, ary i Jeiela (angamba nantsoina koa hoe Abiela) no rain’i Nera. (1Ta 8:29-33; 9:35-39; jereo ABIELA No. 1.) I Saoly no mpanjaka voalohany nofidin’Andriamanitra hitondra ny Israely. (1Sa 9:15, 16; 10:1) Mpanankarem-be ny fianakaviany. Tsara tarehy izy ary lava be ka tsy nisy nihoatra ny sorony ny Israelita rehetra. Natanjaka be koa izy sady mailaka. (1Sa 9:1, 2; 2Sa 1:23) Nanambady an’i Ahinoama izy, ary niteraka fito lahy, fara fahakeliny (Jonatana, Jisvy, Malkisoa, Abinadaba, Isboseta [Esbala], Armony, ary Mefiboseta), sy roa vavy (Meraba sy Mikala). Azo inoana fa dadatoan’i Saoly Mpanjaka i Abnera (jereo ABNERA), izay lehiben’ny tafiky ny Israelita.​—1Sa 14:49, 50; 2Sa 2:8; 21:8; 1Ta 8:33.

Nikorontana ny fiainan’ny Israelita, tamin’i Saoly mbola tanora. Nampahory azy ireo mantsy ny Filistinina, ary tsy nahavita na inona na inona ny tafika israelita. (1Sa 9:16; 13:19, 20) Nandrahona ny hanafika koa ny Amonita notarihin’i Nahasy Mpanjaka. (1Sa 12:12) Tsy vitan’izay fa mpitsara niangatra ireo zanakalahin’i Samoela, fa tsy mba nanahaka an-drainy. (1Sa 8:1-3) Lasa hadinon’ireo anti-panahin’ny Israely àry fa nahay niaro ny olony i Jehovah, ka nangataka tamin’i Samoela izy ireo mba hanendry mpanjaka olombelona hitondra azy ireo.​—1Sa 8:4, 5.

Nohosorana ho mpanjaka. Nataon’i Jehovah izay nanosorana an’i Saoly ho mpanjaka, taorian’izay. Ahoana no nataony? Very ny ampondravavin’ny rain’i Saoly, ka lasa nitady azy ireo i Saoly sy ny mpanompo iray, nefa tsy nahita mihitsy. Tapa-kevitra izy fa hody. Tamin’izay anefa ilay mpanompo no nilaza fa tsara raha nanontany “lehilahin’Andriamanitra” iray tao amin’ny tanàna teo akaiky teo izy ireo. Nihaona àry i Saoly sy Samoela. (1Sa 9:3-19) Niresadresaka izy ireo, ka hitan’i Samoela avy hatrany fa nanetry tena i Saoly. (1Sa 9:20, 21) Niara-nihinana fanatitra iombonana izy ireo, ary avy eo mbola niresaka taminy i Samoela. Ny ampitso maraina, dia nohosoran’i Samoela ho mpanjaka i Saoly, ary nomeny famantarana telo. Tiany hahazo antoka mantsy i Saoly fa hanohana azy Andriamanitra. Tanteraka androtr’iny daholo ireo famantarana ireo.​—1Sa 9:22–10:16.

Tatỳ aoriana, dia natao tany Mizpa ny antsapaka mba hifidianana ny mpanjaka. (1Sa 10:20, 21, DIEM) Voafidy i Saoly nefa menatra izy ka niafina tao amin’ny entana. Naseho vahoaka izy rehefa hita, ary faly ny olona ka nihorakoraka hoe: “Ho ela velona anie ny mpanjaka!” Nody tany Gibea i Saoly, avy eo, ary notronin’ireo lehilahy mahery fo. Nisy kosa lehilahy tsy manjary nanambany sy nanamavo azy, nefa nangina fotsiny izy.​—1Sa 10:17-27.

Nandresy raha vao lasa mpanjaka. Iray volana teo ho eo taorian’izay (hoy ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo sy ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty 4QSama, ao amin’ny 1Sa 11:1), dia nasain’i Nahasy, mpanjaka amonita, hitolo-batana taminy ny mponin’i Jabesy, tany Gileada. (Jereo NAHASY No. 1.) Niasa tamin’i Saoly ny fanahin’Andriamanitra rehefa nandre izany izy. Tonga dia nanangana tafika nisy miaramila 330 000 izy, ary nandresy an’ireo Amonita. Vao mainka natanjaka ny fanjakan’i Saoly vokatr’izany, ary nangataka mihitsy aza ny vahoaka hoe hovonoina ho faty izay tsy tia azy. Tsy nety anefa izy, satria fantany fa i Jehovah no nahatonga azy handresy. Nankany Gilgala ny olona, avy eo, mba hanamafy fa i Saoly tokoa no mpanjaka.​—1Sa 11:1-15.

Nikasa hanafaka ny Israely tamin’ny famoretan’ny Filistinina i Saoly, taorian’izay. Nifantina Israelita 3000 izy ary izy no nitarika ny 2000, fa ny ambiny kosa nasainy notarihin’i Jonatana zanany. “Namely ny toby miaramilan’ny Filistinina tao Geba” i Jonatana, ary azo inoana fa nanaraka ny baikon-drainy izy tamin’izany. Namaly faty ny Filistinina ka nanangona tafika mahery ary nitoby tao Mikmasy.​—1Sa 13:3, 5.

Nanota satria sahisahy ratsy. Niala tao Mikmasy i Saoly tamin’izay ary nankany Gilgala, teo amin’ny Lohasahan’i Jordana. Tokony ho tonga tany i Samoela mba hanolotra sorona dorana. Niandry fito andro i Saoly, nefa tsy tonga tamin’ny fotoana voatondro i Samoela. Natahotra àry i Saoly sao ho avy hamely azy ny fahavalo, nefa izy mbola tsy nahazo antoka hoe hanampy azy i Jehovah. Natahotra koa izy hoe raha mbola nitaredretra teo, dia handao azy ny miaramilany. Nanolotra sorona dorana àry izy, satria nihevitra hoe “voatery.” Tonga ihany i Samoela, ary nanameloka azy noho ilay “hadalana” nataony. Nilaza izy fa nanota i Saoly satria sahisahy ratsy nanolotra sorona, ary tsy nankatò an’i Jehovah. Efa nandidy azy mantsy i Jehovah, tamin’ny alalan’i Samoela solontenany, mba hiandry ny hanoloran’i Samoela an’ilay sorona. (Ampit. 1Sa 10:8.) Tsy haharitra ny fanjakan’i Saoly, vokatr’izany.​—1Sa 13:1-14.

Nianiana i Saoly, nandritra ilay ady tamin’ny Filistinina, fa ho voaozona izay nihinan-kanina talohan’ny namitany ny valifatiny tamin’ny fahavalony. Ratsy ny vokatr’ilay fianianana satria tsy nandinika tsara izy. Reraka mantsy ny Israelita. Marina fa nandresy an’ireo Filistinina izy ireo, nefa tsy tena fandresena niezinezina izany. Noana koa ny olona ary tonga dia nihinana fa tsy andriny raha mbola nalatsa-dra ny biby azony babo. Nandika ny lalàn’Andriamanitra àry izy ireo, satria tsy nanaja ny fahamasinan’ny ra. Tsy ren’i Jonatana ilay fianianana nataon-drainy ka nihinana tantely izy. Nanameloka azy ho faty i Saoly, noho izany, nefa nanavotra azy ny vahoaka satria noho izy no nahazoan’ny Israely fandresena.​—1Sa 14:1-45.

Nolavin’Andriamanitra. Niady imbetsaka tamin’ny Filistinina sy tamin’ny firenena hafa i Saoly Mpanjaka, anisan’ireny ny Moabita, Amonita, Edomita, ary ny Amalekita. (1Sa 14:47, 48, 52) Nandika ny didin’Andriamanitra izy rehefa niady tamin’ny Amalekita, satria tsy novonoiny ny tsara indrindra tamin’ny ondry aman’osy sy ny omby, ary notsimbininy koa ny ain’i Agaga mpanjaka amalekita. Nanontany azy i Samoela hoe nahoana izy no tsy nankatò ny tenin’i Jehovah. Nailiny tany amin’ny vahoaka ny fahadisoana. Nasongadin’i Samoela taminy anefa fa nanao fahotana tena ratsy be izy, ka holavin’i Jehovah tsy ho mpanjaka. Tamin’izay i Saoly vao niaiky hoe diso, ary nanazava fa natahotra ny olona izy. Niangavy an’i Samoela izy avy eo mba hiara-miverina taminy, ka hanome voninahitra azy teo anatrehan’ny anti-panahy sy ny Israely. Nanaiky i Samoela ary novonoiny i Agaga, avy eo. Nisaraka tamin’i Saoly izy, ka tsy nifandray intsony izy ireo taorian’izay.​—1Sa 15:1-35.

Niala tamin’i Saoly ny fanahin’i Jehovah taorian’izay sy rehefa voahosotra ho mpanjakan’ny Israely i Davida. “Nisy fikorontanan-tsaina avy amin’i Jehovah nahatonga azy hihorohoro”, nanomboka teo. Nanaisotra ny fanahiny tamin’i Saoly i Jehovah, ka fikorontanan-tsaina no lasa naka ny toeran’ny fanahin’Andriamanitra. Lasa nikorontan-tsaina izy, ary zava-dratsy foana no tao am-pony sy nalehan’ny eritreriny. Matoa izy tsy nankatò an’i Jehovah, dia porofo izany fa te hanao ratsy foana izy tao an-tsainy sy tao am-pony. Tsy nisakana izany ny fanahin’Andriamanitra, izay tsy niasa taminy intsony. Azo lazaina hoe “fikorontanan-tsaina avy amin’i Jehovah” ilay izy, satria navelany hisolo ny fanahiny ilay “fikorontanan-tsaina”, ka nampihorohoro an’i Saoly. Nolazain’ireo mpanompon’i Saoly hoe “fikorontanan-tsaina avy amin’Andriamanitra” ilay izy. Nanolo-kevitra ny mpanompony iray hoe hitady mpitendry zavamaneno, mba hampitony an’i Saoly rehefa mahazo azy ilay “fikorontanan-tsaina.” Nasainy hitendry zavamaneno ho azy tao an-dapa àry i Davida.​—1Sa 16:14-23; 17:15.

Ny fifandraisan’izy sy Davida. Nivoaka mba hiady tamin’ny Israelita ny Filistinina taorian’izay. Nitoby teo amin’ny andaniny iray tamin’ny Lemaka Ivan’i Elaha izy ireo, fa ny miaramilan’i Saoly Mpanjaka kosa teo amin’ny ankilany. Nivoaka marain-tsy hariva avy tao an-toby i Goliata, nandritra ny 40 andro, mba hila ady tamin’ny Israely ary nangataka lehilahy iray hiady taminy indray mandeha monja. Nampanantena i Saoly hoe homeny harem-be izay lehilahy israelita nahafaty an’i Goliata, ary homeny ho vadiny ny zanany vavy. Hataony “afaka amin’ireo adidy” koa ny ankohonan-drain’izany lehilahy izany, ka angamba afaka tamin’ny hetra sy ny fanompoana tsy maintsy natao. (Ampit. 1Sa 8:11-17.) Tonga teo i Davida nitondra sakafo ho an’ireo rahalahiny sy anjara ho an’ny lehiben’ny arivo (angamba ilay mpitari-tafika lehiben’ireo rahalahiny). Nanontany azy ireo i Davida, ary hita tamin’ny fanontaniany fa vonona hiady izy mba hamaliana an’i Goliata. Nentina teo amin’i Saoly àry izy, ary nandresy an’i Goliata avy eo.​—1Sa 17:1-58.

Lasa fahavalony i Davida. Nataon’i Saoly ho mpifehy an’ireo lehilahy mpiady i Davida, taorian’izay. Lasa nankalazaina kokoa noho izy i Davida, tatỳ aoriana, rehefa nisy nihira ho an’ireo mpandresy. Niahiahy azy àry i Saoly sady nialona sy nankahala azy. Nitendry harpa i Davida, indray mandeha, ary “nanao hoatran’ny mpaminany” i Saoly. Tsy midika izany hoe naminany izy. Azo inoana kosa fa niova ny fihetseham-pony sy ny fihetsiny, ka lasa toy ireny mpaminany vonona haminany na efa maminany ireny izy. Tamin’izy hafahafa izay indrindra no nitoraka lefona an’i Davida, ary indroa izany no nitranga. Saika hofantsihany tamin’ny rindrina i Davida saingy tsy voa. Nanaiky hanome an’i Mikala zanany vavy ho vadin’i Davida izy tatỳ aoriana, raha nanome tsitsy nesorina tamin’ny lehilahy filistinina zato i Davida. Nanantena i Saoly fa ho fatin’ny Filistinina i Davida. Tsy nahomby anefa ilay tetika, satria nanolotra tsitsy tokoa i Davida, ary tsy 100 fotsiny fa 200. Nomen’i Saoly ho vadiny àry i Mikala. Vao mainka i Saoly natahotra sady nankahala an’i Davida. Nolazainy tamin’i Jonatana zanany sy tamin’ny mpanompony rehetra mihitsy hoe tiany hovonoina ho faty i Davida. Nitalaho ho azy i Jonatana, ary nampanantena i Saoly fa tsy hamono azy indray. Nitoraka lefona an’i Davida fanintelony anefa i Saoly, ka voatery nandositra izy sao ho faty. Nandefa iraka mihitsy i Saoly mba hanao andry maso ny tranon’i Davida, sy hamono azy ho faty ny ampitso maraina.​—1Sa 18:1–19:11.

Nandositra avy teo am-baravarankelin’ny tranony ny alin’iny ihany i Davida, ary nankany amin’i Samoela tany Rama. Niara-nipetraka tany Naiota izy roa lahy, taorian’izay. Ren’i Saoly izany ka nandefa iraka izy hisambotra an’i Davida. “Nanao hoatran’ny mpaminany” anefa ireo iraka ireo rehefa tonga tany. Azo inoana fa niasa tamin’izy ireo ny fanahin’Andriamanitra, ka hadinony tanteraka ny anton-diany. Nandefa iraka maromaro hafa indray i Saoly, ary indroa mihitsy, saingy mbola izay ihany no nitranga. Izy mihitsy àry no nankany Rama taorian’izay. Niasa taminy koa anefa ny fanahin’Andriamanitra, ary naharitra elaela mihitsy, ka azo inoana fa izany no nahafahan’i Davida nandositra.​—1Sa 19:12–20:1; jereo MPAMINANY (Fanendrena sy fitarihan’ny fanahy).

Tsy namono an’i Saoly i Davida. Imbetsaka tokoa i Davida no saika matin’i Saoly. Nitalaho ho azy fanindroany i Jonatana, taorian’izay. Tezitra be anefa i Saoly ka notorahany lefona ilay zanany naterany. (1Sa 20:1-33) Tsy nitsahatra intsony ny fanenjehan’i Saoly an’i Davida, nanomboka teo. Reny fa nanampy an’i Davida i Ahimeleka Mpisoronabe, ka nandidy ny hamonoana an’i Ahimeleka sy ny mpisorona niaraka taminy i Saoly. (1Sa 22:6-19) Nialokaloka tao Keila, tany Joda, i Davida tatỳ aoriana. Efa saika hanafika an’io tanàna io koa i Saoly, raha tsy nandositra niala tao i Davida. Nataony haza lambo hatrany an-tany efitra mihitsy i Davida, ary tsy niato izy raha tsy notafihin’ny Filistinina ny taniny. Izany no nahafahan’i Davida nankany an-tany efitr’i En-jedy mba hiafina tany. Afaka namono an’i Saoly izy taorian’izay, ary indroa mihitsy. Tsy nety naninjitra ny tanany hamely ny voahosotr’i Jehovah anefa izy. Tamin’ilay fanindroany, dia nampanantena i Saoly fa tsy hanisy ratsy azy intsony, rehefa fantany fa tsy nety namono azy i Davida. Tsy tena vokatry ny fony anefa izany, satria tsy nitsahatra nanenjika an’i Davida izy raha tsy reny hoe nandositra tany Gata, tanàna filistinina, i Davida.​—1Sa 23:10–24:22; 26:1–27:1, 4.

Nifandray tamin’ny fanahy ratsy. Tonga mba hanafika an’i Saoly ny Filistinina, herintaona na roa taona teo ho eo tatỳ aoriana. (1Sa 29:3) Tsy nitarika azy intsony ny fanahin’i Jehovah ary nanana toe-tsaina ratsy izy. Lasa nankany amin’ny mpamoha angatra àry izy, nefa mendrika ny ho faty izay manao izany. (Le 20:6) Mody nanao olon-kafa izy ary nankany amin’ilay vehivavy mpamoha angatra tany En-dora. Efa maty i Samoela nefa hoy i Saoly tamin’ilay vehivavy: “Ampiakaro ho ahy i Samoela.” Rehefa nilazalaza an’izay hitany ilay vehivavy, dia nihevitra i Saoly fa i Samoela izany. Tsara homarihina anefa fa efa tsy namaly an’i Saoly intsony i Jehovah. Mazava koa fa tsy hampiasa mpamoha angatra izy mba hamaliana an’i Saoly, satria ny Lalàny ihany no nilaza fa hovonoina ho faty izay mankany amin’ireny. (Le 20:27) Tsy maintsy ho avy tamin’ny demonia àry izay nolazain’ilay vehivavy, ary tsy nampahery an’i Saoly izany, fa vao mainka aza nampahatahotra azy.​—1Sa 28:4-25; jereo FILALAOVANA ODY.

Maty i Saoly. Niady tamin’ny Israelita indray ny Filistinina. Naratra mafy i Saoly teny amin’ny Tendrombohitra Gilboa, ary maty ny zanany telo lahy. Nasainy novonoin’ilay mpitondra ny fiadiany izy, nefa tsy nety io. Nalainy àry ny sabany ka nianjerany. (1Sa 31:1-7) Nisy tovolahy amalekita tonga tany amin’i Davida, telo andro teo ho eo taorian’izay. Nirehareha erỳ izy nilaza fa izy no namono an’i Saoly Mpanjaka izay efa naratra. Lainga ilay izy, raha ny marina, fa nila ranondranony tamin’i Davida fotsiny izy. Nandidy ny hamonoana azy anefa i Davida, satria izy mihitsy no nilaza fa namono an’i Saoly izay voahosotr’i Jehovah.​—2Sa 1:1-15.

Nataon’ny Filistinina teo amin’ny mandan’i Beti-sana ny fatin’i Saoly sy ny zanany telo lahy. Nalain’ireo lehilahy mahery fo tao Jabesi-gileada, anefa ireo faty, ary nodorany. Nalevin’izy ireo ny taolam-paty avy eo.​—1Sa 31:8-13.

Meloka ho nandatsa-dra i Saoly sy ny ankohonany, noho ny nataon’i Saoly tamin’ny Gibeonita. Novaliana izany, taona maro tatỳ aoriana, nandritra ny fanjakan’i Davida, ka novonoin’ny Gibeonita ny fito tamin’ny taranak’i Saoly.​—2Sa 21:1-9.

4. Levita taranak’i Kehata.​—1Ta 6:22-24.

5. Benjamita iray avy any Tarsosy, any Azia Minora, ary nanenjika an’ireo mpianatr’i Kristy, nefa lasa apostolin’i Jesosy Kristy tatỳ aoriana. (As 9:1, 4, 17; 11:25; 21:39; Fi 3:5) Ilay anarany latinina hoe Paoly no niantsoany ny tenany, ao amin’ireo taratasy rehetra nosoratany.​—Jereo PAOLY.