Saraima
(Saràima) [Vavahady Roa Sosona].
1. Tanànan’i Joda tany Sefela. (Js 15:20, 33, 36) Niampatrampatra “nanomboka teo Saraima ka hatrany Gata sy Ekrona” ny fatin’ny Filistinina, rehefa nenjehin’ny Israelita izy ireo taorian’ny nandresen’i Davida an’i Goliata. (1Sa 17:52) Teo akaikin’ny “lemaka ivan’i Elaha (es-Sant [ʽEmek ha-ʼEla])” sy Azeka (Tell Zakariyeh [Tel ʽAzeka]) no nisy an’i Saraima. (Js 15:35; 1Sa 17:1, 2) Tsy fantatra anefa izay tena nisy azy.
2. Tanànan’i Simeona. (1Ta 4:24, 31) Toa izy io ihany no Silima (Js 15:32) sy Sarohena. (Js 19:6) Misy milaza azy io ho i Tell el-Farʽah (Tel Sharohen), tokony ho 35 km any andrefan’i Beri-sheba.