Sardisy
(Sardìsy).
Renivohitr’i Lydia fahiny (tany amin’ny ilany andrefan’i Azia Minora), ary foiben’ny fivavahana tamin’ny andriamanibavy tany Azia, izay nifanitsy tamin’i Artemisy na Cybèle. Teo atsimon’ny Reniranon’i Gediz (Hermus taloha) no nisy an’i Sardisy, tokotokony ho 50 km tany atsimon’i Tyatira (Akhisar ankehitriny), ary 75 km teo ho eo tany atsinanan’i Smyrna (Izmir ankehitriny). Teny ambonin’ny harambato sarotra hianihana no nisy ny toerana voaro mafin’ilay tanàna. Na dia nisy tandavan-tendrombohitra nisakana aza ny lalana nianatsimo, dia tsy maintsy nandalo tao Sardisy kosa ny lalana nampitohy ny atsinanana sy andrefana. Ireto avy no nampanan-karena an’i Sardisy sy nampahalaza azy: Ny varotra, ilay faritra namokatra be, ary ny fanaovana lamba sy karipetra volonondry. Nety ho nahatratra 50 000 teo ho eo ny isan’ny mponina tao Sardisy.
Tamin’ny taonjato fahenina T.K., dia nandresy an’i Crésus, mpanjaka farany tao Lydia, i Kyrosy Lehibe. Lasa renivohitry ny faritra andrefan’ny Fanjakana Persianina i Sardisy nandritra ny 200 taona mahery taorian’izay. Tamin’ny 334 T.K., dia nitolo-batana tamin’i Aleksandra Lehibe ilay tanàna. Lasa teo ambany fahefan’i Pergamosy ilay tanàna tatỳ aoriana, ary avy eo nofehezin’i Roma. Ravan’ny horohoron-tany i Sardisy, tamin’ny taona 17. Nahazo fanampiana avy tany Roma anefa izy io, ka tafarina indray.
Nilaza i Josèphe, Jiosy mpahay tantara, fa maro ny Jiosy nonina tao Sardisy, tamin’ny taonjato voalohany. (Rakitry ny Ela Jiosy, XIV, 259 [x, 24]) Ap 3:1-6.
Tamin’ny faramparan’ny taonjato voalohany, dia nila ‘nifoha’ teo amin’ny lafiny ara-panahy ny fiangonana kristianina tao Sardisy. Nisy tamin’ireo olona teo anivon’io fiangonana io anefa tsy mba “nandoto ny akanjony ivelany.”—Efa rava ny tanànan’i Sardisy, ka ireto avy ny sisan-javatra tavela ao: Ny tempolin’i Artemisin’ny Efesianina (na Cybèle), synagoga iray, ary zavatra hafa naorin’ny Romanina toy ny kianja sy kianja filalaovana tantara an-tsehatra.—SARY, Boky Faha-2, p. 946.