Sarezera
(Sarezèra).
1. Zanakalahin’i Sankeriba mpanjakan’i Asyria. Taorian’ny nandresen’i Jehovah an’i Sankeriba, dia novonoin’i Sarezera sy Adrameleka zanany lahy tamin’ny sabatra izy, raha mbola niankohoka tao an-tranon’ilay sampy andriamaniny. Nandositra nankany Ararata izy roa lahy avy eo. (2Mp 19:7, 35-37; Is 37:38) I Esara-hadona rahalahin’izy ireo no nandimby an’i Sankeriba. Nanoratra i Esara-hadona fa nanenjika azy ireo tany Ararata.—Jereo ESARA-HADONA.
2. Iray tamin’ireo solontena roa nirahin’ny mponin’i Betela taorian’ny sesitany, mba “hitady sitraka amin’i Jehovah” sy hanontany raha tokony hifady hanina izy ireo. Roa taona teo ho eo talohan’ny nahavitan’ilay tempoly naorina fanindroany, no nanirahana azy ireo.—Za 7:1-3; Ezr 6:15.