Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sargona

Sargona

(Sargôna) [avy amin’ny teny akadianina, ary midika hoe “Mpanjaka Ara-dalàna”].

Mpanjakan’i Asyria nandimby an’i Salmanesera Faha-5. Sargona II no iantsoan’ny mpahay tantara azy. Mpanjaka iray taloha kokoa no natao hoe Sargona I, ary nanjaka tany Babylona izy io, fa tsy tany Asyria.

Indray mandeha ihany no hita ao amin’ny Baiboly ny anarana hoe Sargona. (Is 20:1) Matetika ireo mpanao tsikera, taoriana kelin’ny 1800, no nilaza fa tsy tena nisy ilay Sargona resahin’ny Baiboly. Nisy fikarohana natao anefa tao Korsabada nanomboka tamin’ny 1843, ary nofongarina tao ny sisa tavela tamin’ny lapan’i Sargona, izay nahitana soratra mitantara ny nanjakany.​—SARY, Boky 1, p. 955, 960.

Mitantara toy izao i Sargona: “Nataoko fahirano i Samaria (Sa-me-ri-na), ka resiko.” (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i James Pritchard, 1974, p. 284) Toa fihamboany fotsiny anefa izany, na fihamboan’ireo te hanome voninahitra azy. Mody nolazain’izy ireo hoe i Sargona no nandresy an’i Samaria, nefa ilay mpanjaka talohany no nandresy azy io, raha ny marina. Hoy kosa ny tantara iray avy any Babylona momba an’i Salmanesera Faha-5: “Noravany i Samaria.” (Tantaran’i Asyria sy Babylona, nataon’i A. Grayson, 1975, p. 73) Milaza fotsiny anefa ny 2 Mpanjaka 18:9, 10 fa “nanao fahirano” an’i Samaria i Salmanesera, ka “namabo an’ilay tanàna.” Ampitahao amin’ny 2 Mpanjaka 17:1-6, izay milaza fa nampandoa hetra an’i Hosea mpanjakan’i Samaria i Salmanesera, ary “nobaboin’ny mpanjakan’i Asyria i Samaria” tatỳ aoriana.

Iraizotongotra tao Nimroud mitantara an’ireo fandresena nireharehan’i Sargona, nefa mety ho ilay mpanjaka talohany no nahazo ny fandresena sasany

Hadalana tokoa ny matoky befahatany an’izay lazain’ny tantara fahiny, na ny mampitovy lanja azy ireny amin’izay lazain’ny Baiboly, rehefa jerena ireo asa soratra momba an’i Sargona! Nikomy ny Babylonianina notarihin’i Merodaka-baladana, taoriana kelin’ny naha lasa mpanjaka an’i Sargona. Nanohana azy ireo koa ny Elamita. Niady tamin’izy ireo tao Der àry i Sargona, saingy tsy naharesy. Nihambo ho nandresy tanteraka tamin’ilay ady anefa i Sargona tao amin’ireo asa sorany. Ny Tantaran’i Babylona kosa milaza fa resin’ny Elamita ny Asyrianina. Nirehareha koa i Merodaka-baladana fa ‘resiny ny Asyrianina, ka nopotehiny ny fitaovam-piadian’izy ireo.’ Hoy ilay boky hoe Irak Fahiny: “Mahatsikaiky fa tany Nimroud no nahitana an’ilay asa soratr’i Merodaka-baladana, satria nalain’i Sargona tany Ourouk izy io ... Nosoloan’i Sargona varingarina tanimanga ilay izy, ary nosoratany teo amin’izy io ny momba ilay ady, saingy novany tanteraka mihitsy ilay tantara. Hita àry fa tsy vao izao no misy an’izany hoe lainga aelin’ny mpanao politika sy ‘ady mangatsiaka’ izany.”​—Nataon’i G. Roux, 1964, p. 258.

Ireo mpanjakan’i Hamata sy Damaskosy ary ireo mpiray dina taminy kosa no resin’i Sargona tao Karkar, eo amoron’ny Reniranon’i Oronte. Milaza ny 2 Mpanjaka 17:24, 30 fa anisan’ireo namponenin’ny “mpanjakan’i Asyria” tao amin’ireo tanànan’i Samaria ny olona avy any Hamata, ho solon’ireo Israelita nataony sesitany.

Nilaza i Sargona fa notafihiny i Karkemisy, ka resiny tamin’ny taona fahadimy nanjakany. Tany amin’ny faritra lalovan’ny Reniranon’i Eofrata any avaratra io tanàna io, izay foibe ara-barotra. Tsara toerana ho an’ny tafika koa izy io. Olona avy any an-tany hafa no namponenin’ny Asyrianina tao amin’ilay tanàna, rehefa nataony sesitany ny mponina tao, toy ny efa fanaony. Nilaza i Isaia fa anisan’ireo tanàna efa resin’i Asyria i Karkemisy sy Hamata, rehefa nampitandrina izy fa ho avy hanafika ireo Asyrianina. (Is 10:5-11) Nitantara i Sargona tatỳ aoriana fa foko arabo no namponeniny tao Samaria.​—Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, p. 285, 286.

Nitantara ny Asyrianina fa nikomy tamin’izy ireo i Azori mpanjakan’i Asdoda. Nesorin’i Sargona tsy ho mpanjaka àry izy, ka ny zandrin’i Azori no nasolony azy. Nikomy indray anefa i Filistia tatỳ aoriana, ka notafihin’i Sargona. “Nataony fahirano ny tanànan’i Asdoda, Gata, ... (ary) Asdodimo, ka resiny.” (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, p. 286) Toa io fotoana io no resahin’ny Isaia 20:1, izay manonona mivantana an’i Sargona.

Noroahin’i Sargona hiala tao Babylona i Merodaka-baladana taorian’izay, ary nalainy ilay tanàna. Misy asa soratra milaza fa nanjaka tao Babylona nandritra ny dimy taona i Sargona.

Niady matetika tamin’ny firenen-kafa i Sargona nandritra ny fotoana nanjakany, ka nihanahery be indray ny Fanjakana Asyrianina. Nanomboka teo aminy koa ny tarana-mpanjaka asyrianina niavaka farany. Milaza ny mpahay tantara fa nanjaka 17 taona i Sargona. Tsy mitombina izany raha tsy hoe niara-nanjaka angaha izy sy Sankeriba, tamin’i Sankeriba nanafika an’i Joda. Tamin’ny fotoana nahababo an’i Samaria, izany hoe tamin’ny taona fahenina nanjakan’i Hezekia (2Mp 18:10), na taoriana kelin’izay mantsy i Sargona no heverina fa lasa mpanjaka. Tamin’ny taona faha-14 nanjakan’i Hezekia anefa i Sankeriba zanak’i Sargona sady mpandimby azy, no nanafika an’i Joda. (2Mp 18:13) Mety ho diso hevitra koa anefa ireo mpahay tantara. Asehon’ilay lahatsoratra hoe FANISAN-TAONA mantsy fa tsy azo ianteherana mihitsy ny lisitry ny anaran’ireo mpitondra asyrianina, mba hamaritana ny fotoana nanjakan’izy ireo. Resahin’io lahatsoratra io koa fa tsy azo itokisana loatra ireo mpitan-tsoratra asyrianina. Fahazaran’izy ireo mantsy ny “nanitsy” ireo tantara samy hafa noraketina an-tsoratra, mba handokadokafana ny mpitondra tamin’izany.

Nanorina renivohitra vaovao i Sargona, nandritra ny fotoana nanjakany. Teo amin’ny 20 km teo ho eo avaratratsinanan’i Ninive no nisy azy io, akaikin’ilay tanàna kely ankehitriny hoe Korsabada. Naoriny teo amin’ny toerana iray mbola tsy nisy na inona na inona koa ilay tanàna hoe Dor Sharrokin (azo adika hoe Tanàna Voaro Mafin’i Sargona). Nanao fototra marin-tampona tsara izy aloha, ary nasiany lapa misy efitra 200 teo amboniny. Nahatratra 7,5 m ny haavon’ilay fototra, ary efa ho 10 ha ny velarany. Sarina ombilahy goavam-be manan’elatra sy lohan’olona no niambina ny fidirana tao amin’ilay lapa, ary efa ho 5 m teo ho eo avy ny haavon’ny ombilahy anankiroa. Nisy sary hoso-doko sy sary sokitra nahitana ny ady nataon’i Sargona sy ny zava-bitany, nandravaka an’ireo rindrina. Efa ho 2,5 km ny lavan’ireo rindrina rakotra azy ireny, raha atohitohy. Nanoratra toy izao i Sargona: “Enga anie izaho, Sargona, mipetraka ato amin’ity lapa ity, mba [hataon’i Asyra andriamanitra] ela velona, salama tsara, falifaly, ary mahira-tsaina.” (Irak Fahiny, p. 262) Voalaza anefa fa nisy namono izy herintaona teo ho eo taorian’ny nitokanana an’ilay lapa, ary tsy fantatra ny fomba nahafatesany. I Sankeriba zanany no nandimby azy.