Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Saron-tratra

Saron-tratra

Kitapo masina misy peta-kofehy nataon’ny mpisoronaben’ny Israely teo an-tratrany, isaky ny niditra tao amin’ny Masina. Natao ho “fahatsiarovana” ilay saron-tratra (heb.: hôshen), izay toa nantsoina koa hoe “saron-tratra fitsarana” satria natao tao ny Orima sy Tomima izay fomba nampahafantaran’i Jehovah ny didim-pitsarany.​—Ek 28:15, 29, 30.

Akora tena tsara nomen’ny Israelita no nanaovana ny saron-tratra sy ny efoda: Kofehy volamena, kofehy manga, volonondry volomparasy somary mena, kofehy mena midorehitra, ary kofehy rongony miolana tsara. (Ek 28:15) Ireo koa no nanaovana an’ireo lamba folo nasiana sarina kerobima natao peta-kofehy, ny ridao nanasaraka ny Masina sy ny Masina Indrindra, ary ny lamba fanakonana ho an’ny fidirana amin’ny tranolay. I Bezalila sy Oholiaba no nanao an’ireo na nanara-maso ny fanaovana azy.​—Ek 26:1, 31, 36; 31:2-6; 35:21-29.

Iray hakiho ny lavan’ny lamba nanaovana an’ilay saron-tratra ary irain-jehy ny sakany, ka efamira ilay izy rehefa avalona roa. Lasa kitapo kely azo nametrahana ny Orima sy Tomima àry ilay izy. Noravahana vatosoa 12 ny teo aloha. Tao anaty tranom-bato volamena ireo vato, izay natao laharany efatra nisy vato telo avy. Natao sokitra teo amin’ny vato tsirairay ny anaran’ny foko tsirairay tany Israely. (Ek 28:15-21, 28; 39:8-14; Le 8:8) Mety ho nalahatra araka izay itanisana azy ao amin’ny Baiboly ireo vatosoa, avy any ankavanana miankavia (toy ny famaky soratra hebreo). Tsy fantatra anefa hoe vatosoa inona no mifanitsy amin’ny foko inona.​—Jereo ny lahatsoratra manazava ny vatosoa tsirairay.

Nifatotra tamin’ny efoda ilay saron-tratra. Nisy rojo mirandrana toy ny tady, vita tamin’ny volamena tsy misy fangarony, nafatotra tamin’ny mason-drojo volamena roa teo amin’ny zorony roa ambony tamin’ilay saron-tratra. Natsofoka teo amin’ireo tranom-bato volamena roa teo amin’ny soroky ny efoda ireo tady. Nisy mason-drojo volamena roa hafa koa teo amin’ny zorony roa ambany tamin’ilay saron-tratra, teo amin’ny sisiny anatiny nifanolotra tamin’ny efoda. Nisy kofehy manga nafatotra teo amin’ireo mason-drojo ireo nankeo amin’ireo mason-drojo volamena roa teo amin’ny lamban-tsoroka tamin’ilay efoda, teo ambonin’ny fehikibony.​—Ek 28:22-28; 39:15-21.