Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sarony Fampihavanana

Sarony Fampihavanana

Saron’ny Vata misy ny fifanekena. Teo anoloan’izy io ny mpisoronabe no namafy ny ran’ny biby natao fanatitra noho ny ota, tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana.

Nadikan’ny Baiboly sasany hoe “rakotra fanaovam-panavotana” (Prot., JM, DPV), “fanoneram-pahotana” (Kat.), “toerana fanaovana sorom-panonerana” (DIEM) ary “sarony fampihavanana” (TV) ny teny hebreo hoe kappôret, izay avy amin’ny matoanteny fototeny midika hoe “mandrakotra”, “mandrakotra (fahotana).”

Volamena tsy misy fangarony no nanamboaran’i Bezalila ny saron’ilay Vata masina misy ny fifanekena tao amin’ny Masina Indrindran’ny tranolay masina, araka ny nolazain’i Jehovah tamin’i Mosesy. Nirefy 2,5 hakiho (111 sm) ny lavany, ary 1,5 hakiho (67 sm) ny sakany. Nisy kerobima volamena roa teo amboniny, teo amin’ny sisiny roa. Nivelatra niakatra ny elatr’izy ireo, ary nanakona an’ilay sarony. Niondrika nijery azy io ireo kerobima.​—Ek 25:17-21; 37:1, 6-9.

Niditra tao amin’ny Masina Indrindra ny mpisoronabe tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana (yôhm hakkipporim: “andron’ireo fandrakofana na fampihavanana” [Le 23:27, 28]). Namafy ran’omby teo anoloan’ny saron’ilay Vata, teo atsinanana, izy, ary avy eo ran’osilahy. (Le 16:14, 15) Teo anoloan’ilay sarony volamena àry no nanaovana fampihavanana na fandrakofam-pahotana.

Teo anelanelan’ireo kerobima, teo ambonin’ilay sarony fampihavanana, Andriamanitra no niresaka tamin’i Mosesy na tamin’ny mpisoronabe. (Ek 25:22; No 7:89; ampit. Le 10:8-10; No 27:18-21.) Nilaza i Jehovah fa ao anaty rahona no hisehoany eo ambonin’ilay sarony. Toa namirapiratra ilay rahona ka nazava ny Masina Indrindra.​—Le 16:2; ampit. Sl 80:1.

Nantsoina hoe “trano misy ny kappôret” ny Masina Indrindra na efitra anatiny indrindran’ny tempoly. (1Ta 28:11) Tsy rakotra na sarona vata fotsiny no dikan’ilay teny hebreo eo, fa ilay antony manokana nampiasana azy, dia ny fampihavanana na fandrakofam-pahotana. Nisy àry nanao hoe “efitry ny fanoneram-pahotana” (Kat.) sy “trano misy ny sarony fampihavanana” (TV).

Heviny an’ohatra. Hilasteriôn (“fampihavanana”) no teny grika ilazana ny saron’ny Vata ao amin’ny Hebreo 9:5. Niseho teo anelanelan’ny kerobima roa teo ambonin’ny sarony fampihavanana Andriamanitra. (Le 16:2; Ek 25:22) Sary an’ohatra izany, hoy ny bokin’ny Hebreo. Nitondra ran’ny biby natao sorona ny mpisoronabe nankao amin’ny Masina Indrindra, tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana. Nitondra ny vidim-panavotana koa i Kristy rehefa niseho teo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra tany an-danitra, fa tsy teo anoloan’ny sarony fampihavanana.​—Le 16:15; He 9:11-14, 24-28.