Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Satana

Satana

[Mpanohitra].

Tsy dia misy mpanoritra voafaritra eo anoloan’ny teny hoe satan, ao amin’ny Soratra Hebreo. Ilay anjely nijoro teo an-dalana mba hanohitra an’i Balama (handeha hanozona an’ireo Israelita) no resahin’ny andininy voalohany ahitana an’ilay teny. (No 22:22, 32) Ilazana olona nanohitra olon-kafa koa izy io. (1Sa 29:4; 2Sa 19:21, 22; 1Mp 5:4; 11:14, 23, 25) Ilazana an’i Satana Devoly, ilay fahavalon’Andriamanitra lehibe indrindra, kosa izy io rehefa misy mpanoritra voafaritra ha. (Jb 1:6; 2:1-7; Za 3:1, 2) Satanas no ilazana an’i Satana Devoly ao amin’ny Soratra Grika, amin’ny ankapobeny, ary misy mpanoritra voafaritra eo alohany.

Ny niandohany. Asehon’ny Baiboly fa tamin’izy nanohitra an’Andriamanitra vao nomena anarana hoe Satana, fa tsy hoe efa anarany hatramin’izay izany. Tsy lazain’ny Baiboly hoe iza no anarany taloha. Andriamanitra no hany Mpamorona ary ‘tonga lafatra izay ataony’, fa tsy misy tsy fahamarinana na tsy rariny. (De 32:4) Nanao izay mahitsy sy lavorary àry tamin’ny voalohany ilay zavaboary lasa Satana. Anjely izy satria niseho teo anatrehan’Andriamanitra tany an-danitra. (Jb 1, 2; Ap 12:9) Hoy i Jesosy Kristy momba azy: “Mpamono olona hatrany am-piandohana izy, ary tsy nifikitra tamin’ny marina, satria tsy ao aminy ny marina.” (Jn 8:44; 1Jn 3:8) Nanao ny marina i Satana taloha, saingy tsy nifikitra tamin’ny marina. Nitaona an’i Adama sy Eva hiala tamin’Andriamanitra izy. Izany no fikomiany voalohany. Lasa mpamono olona izy satria maty i Adama sy Eva noho ny famitahany, ary nandova ota sy fahafatesana ny taranak’izy ireo. (Ro 5:12) Tsy ny ratsy ao anatin’ny olona akory i Satana, rehefa jerena izay lazain’ny Baiboly momba ny toetrany sy izay ataony. Fantatry ny Jiosy ary fantatr’i Jesosy sy ny mpianany koa fa tena misy i Satana.

Anjely lavorary nanao ny marina àry izy, saingy nanota ary lasa ratsy toetra. Hoy i Jakoba momba izay nitranga taminy: ‘Tsapaina ny tsirairay rehefa voasariky ny fanirian’ny tenany ihany, ka voafandrik’izany. Ary ny faniriana rehefa kolokoloina, dia miteraka fahotana, ary ny fahotana kosa rehefa tanterahina, dia miteraka fahafatesana.’ (Jk 1:14, 15) Toa mitovitovy amin’izay nataon’ny mpanjakan’i Tyro ny nataony.​—Ezk 28:11-19; jereo LAVORARY, TONGA LAFATRA (Ilay nanota voalohany sy ny mpanjakan’i Tyro).

I Satana no nampiasa menarana mba hiresahana tamin’i Eva sy hitaomana azy tsy hankatò ny didin’Andriamanitra. I Eva indray avy eo no nitaona an’i Adama hikomy. (Ge 3:1-7; 2Ko 11:3) Antsoin’ny Baiboly hoe “Menarana” (lasa nidika hoe “mpamitaka”) àry i Satana. Lasa “Mpaka fanahy” (Mt 4:3) sy mpandainga na “rain’ny lainga” koa izy.​—Jn 8:44; Ap 12:9.

Tsy nanaiky ny zon’Andriamanitra hitondra. Rehefa niresaka tamin’i Eva (tamin’ny alalan’ny menarana) i Satana, dia te hilaza fa tsy manan-jo hitondra i Jehovah ary tsy ara-drariny ny fitondrany. Nisy zavatra tsara tsy tian’Andriamanitra ho azon’i Eva, hono, matoa izy nandrara azy tsy hihinana tamin’ilay voankazo. Laingany koa, hono, ilay hoe ho faty i Eva raha mihinana, fa vao mainka aza, hono, i Eva ho tahaka an’Andriamanitra ka hahaleo tena fa tsy hila azy intsony. Nanandra-tena ho ambony noho Andriamanitra àry io anjely ratsy io ka lasa andriamanitr’i Eva, na dia toa tsy fantatr’i Eva aza tamin’izay hoe iza ilay namitaka azy. Nanjary nofeheziny ny lehilahy sy vehivavy voalohany, ka lasa andriamanitra mifandrafy amin’i Jehovah izy.​—Ge 3:1-7.

Niseho teo anatrehan’i Jehovah sy nandrafy ary nihantsy azy i Satana, araka ny fitantaran’ny Baiboly ny zava-nitranga iray tany an-danitra. Nilaza izy fa afaka mitaona an’i Joba mpanompon’Andriamanitra sy ny mpanompony hafa rehetra hivadika aminy. Tsy rariny, hono, ny nataon’Andriamanitra satria nomeny ny zava-drehetra i Joba sady narovany, ka tsy afaka nitsapa an’i Joba i Satana mba hahitana izay tena tao am-pon’i Joba. Ratsy, hono, ny toe-pon’i Joba, raha ny marina, satria fitiavan-tena fotsiny no nanompoany an’Andriamanitra. Hoy i Satana: “Hoditra solon’ny hoditra, ary izay rehetra ananan’ny olona dia homeny hiarovana ny ainy. Fa ahinjiro kosa ny tananao, azafady, ary kasiho hatramin’ny taolany sy ny nofony, dia jereo raha tsy hanozona anao eo imasonao izy.”​—Jb 1:6-12; 2:1-7; jereo FAHEFANA FARA TAMPONY.

Namela an’i Satana hampahory an’i Joba àry i Jehovah. Tsy nisalovana izy rehefa nitaona Sabeanina handroba ny biby fiompin’i Joba i Satana, na rehefa nandatsaka afo avy any an-danitra mba handevona an’ireo ondry sy mpiandry ondry. Nolazain’ny mpanompon’i Joba hoe “afon’Andriamanitra” ilay izy. Tsy fantatra anefa raha varatra na afo hafa ilay izy. Nandefa Kaldeanina mpandroba nanao andiany telo sy rivo-mahery koa i Satana, ka maty daholo ny zanak’i Joba ary potika ny fananany. Farany, nataony voan’ny aretina maharikoriko i Joba.​—Jb 1:13-19; 2:7, 8.

Anjely tena mahery àry i Satana, ary lozabe sy tia mamono olona.

Tsara homarihina anefa fa nanaiky i Satana hoe tsy afaka nandika ny didin’Andriamanitra izy, satria tsy sahiny ny nanohitra ny herin’Andriamanitra sy ny fahefany rehefa tsy navelany hamono an’i Joba izy.​—Jb 2:6.

Manohitra an’Andriamanitra foana. Rariny raha antsoina hoe “Devoly” na “Mpanendrikendrika” i Satana, satria nanendrikendrika an’i Jehovah Andriamanitra izy tany amin’ny zaridainan’i Edena. Mihantsy Azy koa izy sady manizingizina fa hivadika daholo ny mpanompony.

Nisy demonia nanaraka azy. Nisy anjely hafa nandao ny fonenany sy ny toerany tany an-danitra, talohan’ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa. Nitafy nofo izy ireo ka nipetraka teto an-tany mba hanambady vehivavy. Nantsoina hoe Nefilima ny zanak’izy ireo. (Ge 6:1-4; 1Pe 3:19, 20; 2Pe 2:4; Jd 6; jereo NEFILIMA; ZANAK’ANDRIAMANITRA.) Tsy nanompo an’Andriamanitra intsony ireny anjely ireny fa lasa nofehezin’i Satana. Antsoina hoe “lehiben’ny demonia” àry i Satana. Nilaza ny Fariseo, indray mandeha, fa hery avy amin’i “Belzeboba, lehiben’ny demonia” no nahafahan’i Jesosy namoaka demonia avy tao amin’ny lehilahy iray. I Satana no tian’izy ireo holazaina, satria hoy i Jesosy: “Raha i Satana no mamoaka an’i Satana, dia miady an-trano izy.”​—Mt 12:22-27.

Nilaza ny apostoly Paoly fa anisan’ireo “fanahy ratsy any amin’ny faritry ny lanitra” i Satana, ary “mpanjakan’izao tontolo anaty haizina izao” izy rehetra ireo. (Ef 6:11, 12) “Mpitondra ny fahefan’ny rivotra” i Satana, satria feheziny ny faritra tsy hita maso manodidina ny tany. (Ef 2:2) “Mamitaka ny tany rehetra misy mponina” izy. (Ap 12:9) Hoy ny apostoly Jaona: “Izao tontolo izao manontolo [dia] eo ambany fahefan’ilay ratsy.” (1Jn 5:19) I Satana àry no “mpitondra an’izao tontolo izao.” (Jn 12:31) Izany no antony nilazan’i Jakoba fa “fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao.”​—Jk 4:4.

Nitady fomba hamonoana an’ilay ‘taranaka.’ Hipoitra avy amin’i Abrahama ilay ‘taranaka’ nampanantenaina. (Ge 12:7) Nanao izay ho afany anefa i Satana mba tsy ho tanteraka izany. Nanao tetika izy, ohatra, mba ho voaloto i Saraha ka tsy ho mendrika hipoiran’ilay taranaka. Narovan’Andriamanitra anefa i Saraha. (Ge 20:1-18) Nataony koa izay haharipaka ny firenen’Israely, ilay firenena nofidin’Andriamanitra ho taranak’i Abrahama. Notaominy hanota mantsy ilay firenena ary nampirisihiny hanafika azy io ny firenen-kafa. Toa nahomby tamin’ilay adiny tamin’Andriamanitra i Satana rehefa resin’i Babylona (Firenena Natanjaka Indrindra Fahatelo Eran-tany araka ny tantara ao amin’ny Baiboly) i Jerosalema. Naongan’ny Babylonianina tsy ho mpanjaka i Zedekia taranak’i Davida, ary noravany ny tempolin’i Jehovah. Lasa aolo i Jerosalema sy Joda.​—Ezk 21:25-27.

Nampiasain’i Satana ny tarana-mpanjaka tao Babylona nanomboka tamin’i Nebokadnezara Mpanjaka, mba hanao sesitany ny Israelita nandritra ny 68 taona, mandra-paharesin’i Babylona. Tsy nieritreritra mihitsy ny hanafaka an’ireo babo tany aminy i Babylona. Hita taratra amin’izany ny toe-tsain’i Satana izay nirehareha sady sahy nandrafy sy nanohitra an’i Jehovah Mpanjakan’izao Rehetra Izao. Mpivavaka tamin’ny demonia, raha ny marina, ireo mpanjakan’i Babylona nivavaka tamin’i Mardoka sy Ishtar andriamanibavy ary andriamanitra maro hafa. Nofehezin’i Satana koa izy ireo satria anisan’ilay tontolo lavitra an’i Jehovah.​—Sl 96:5; 1Ko 10:20; Ef 2:12; Kl 1:21.

Nataon’i Satana tao amin’ny mpanjakan’i Babylona ny faniriana hifehy ny tany manontolo, ka ho lasa ambony noho ny “seza fiandrianan’i Jehovah” (1Ta 29:23) sy ireo “kintan’Andriamanitra” mihitsy aza, izany hoe ireo taranak’i Davida nanjaka teo amin’ny Tendrombohitra Moria (na Ziona). ‘Nanandra-tena’ ilay ‘mpanjaka’ (tarana-mpanjaka babylonianina), ka nihevi-tena sy noheverin’ny namany ho “ilay mamirapiratra” na “zanaky ny maraina.” (“Losifera” no hita ao amin’ny Baiboly sasany, toy ny ao amin’ny Vulgate latinina. Dikan’ny teny hebreo hoe hehlel fotsiny anefa ilay hoe “ilay mamirapiratra.” Tsy anarana na anaram-boninahitra ny hoe hehlel, fa teny ilazana ny fireharehan’ireo mpanjaka taranak’i Nebokadnezara.) (Is 14:4-21) Te ho ambony ny ‘mpanjakan’i’ Babylona, satria nampiasain’i Satana sy nanana ny toe-tsainy. Namonjy ny vahoakany anefa i Jehovah, ka namerina azy tany amin’ny taniny, mandra-pahatongan’ilay tena Taranaka nampanantenaina.​—Ezr 1:1-6.

Niezaka hitaona an’i Jesosy hivadika. Nanao izay ho afany i Satana mba hamonoana an’i Jesosy, satria fantany fa izy ilay Zanak’Andriamanitra sy ilay nambaran’ny faminaniana fa hanorotoro ny lohany. (Ge 3:15) Hoy anefa ny anjely Gabriela tamin’i Maria, rehefa nilaza taminy fa ho bevohoka an’i Jesosy izy: “Ho tonga aminao ny fanahy masina ary ny herin’ny Avo Indrindra hanaloka anao. Izany no antony hiantsoana an’ilay haterakao hoe masina, Zanak’Andriamanitra.” (Lk 1:35) Niaro an’ilay Zanany àry i Jehovah. Tsy nahomby ny tetika hamonoana an’i Jesosy zaza. (Mt 2:1-15) Narovan’Andriamanitra koa i Jesosy rehefa nihalehibe. Intelo naka fanahy azy tany an-tany efitra i Satana tamin’izy vao vita batisa, mba hitsapana raha tena tia an’i Jehovah izy. Nasehon’i Satana an’i Jesosy, ohatra, ny fanjakana rehetra teo amin’izao tontolo izao, ary nilaza izy fa azy daholo ireny. Tsy nolavin’i Jesosy ny teniny. Tsy nieritreritra kely akory ny hahazo fahefana eo no ho eo anefa i Jesosy, na nieritreritra ny hanao izay tiany fotsiny. Niteny avy hatrany izy hoe: “Mandehana ianao, ry Satana, fa voasoratra hoe: ‘I Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao, ary ho azy irery ihany no tsy maintsy anaovanao fanompoana masina.’” ‘Nandao azy [àry] ny Devoly mandra-pahatongan’ny fotoana hafa mety indray.’ (Mt 4:1-11; Lk 4:13) Marina tokoa ny tenin’i Jakoba hoe: ‘Tohero ny Devoly, dia handositra anareo izy.’​—Jk 4:7.

Nitady tetika foana i Satana mba handrisihana an’i Jesosy hieritreritra zavatra mifanohitra amin’ny sitrapon’i Jehovah. Fantatr’i Jesosy anefa izany ka mailo foana izy. Nilaza, ohatra, izy indray mandeha fa hampijaliana ary hovonoina ho faty. “Koa nentin’i Petera hihataka kely izy ary noteneniny mafy hoe: ‘Tokony mba ho tsara fanahy amin’ny tenanao ianao, Tompo ô! Tsy hanjo anao mihitsy izany.’” Niahy azy i Petera, nefa naka fanahy azy, raha ny marina. ‘Nihodina àry izy ka niteny tamin’i Petera hoe: “Mankanesa ato ivohoko, ry Satana! Vato mahatafintohina eo anoloako ianao, satria tsy ny hevitr’Andriamanitra no eritreretinao, fa ny an’ny olombelona.”’​—Mt 16:21-23.

Notandindomin-doza foana i Jesosy nandritra ny fanompoany. Nisy olona nampiasain’i Satana hanohitra azy mantsy, izany hoe hitaona azy hivadika na hamono azy. Nitady hanao azy ho mpanjaka ny vahoaka, indray mandeha. Nanda anefa izy satria tiany ny hahazo fahefana avy amin’Andriamanitra amin’ny fotoana voatondrony. (Jn 6:15) Nitady hamono azy koa ny olona tao amin’ny tanàna niaviany. (Lk 4:22-30) Nitady fomba hamandrihana azy foana ny olona nampiasain’i Satana. (Mt 22:15) Tsy vitan’i Satana mihitsy anefa ny nitaona an’i Jesosy hanota na tamin’izay noeritreretiny na tamin’izay nataony. Noporofoiny fa laingan’i Satana fotsiny ny hoe tsy manan-jo hitondra Andriamanitra sy ny hoe hivadika daholo ny mpanompony. Hoy àry i Jesosy, talohan’ny nahafatesany: “Tsaraina ankehitriny izao tontolo izao. Ary horoahina ankehitriny ilay mpitondra an’izao tontolo izao”, satria voaporofo tanteraka fa mpandainga izy. (Jn 12:31) Nofehezin’i Satana ny olona mpanota rehetra. Fantatr’i Jesosy fa ho faty tsy ho ela izy noho ny ataon’i Satana. Afaka nilaza toy izao anefa izy rehefa avy nankalaza ny Paska farany niaraka tamin’ny mpianany: “Avy ilay mpitondra an’izao tontolo izao. Tsy manana fahefana amiko anefa izy.”​—Jn 14:30.

Nahomby ihany ny tetik’i Satana hampamono an’i Jesosy, ora vitsivitsy taorian’izay. Niditra tao amin’ny apostoly iray aloha i Satana, avy eo nampirisika an’ireo lohandohany teo amin’ny Jiosy sy ny Firenena Matanjaka Romanina hamono an’i Jesosy. Tena afa-baraka sy nijalijaly izy vao maty. (Lk 22:3; Jn 13:26, 27; toko 18, 19) Hita fa ‘nanan-kery hahatonga fahafatesana’ i Satana tamin’izay. (He 2:14; Lk 22:53) Tsy nahataona an’i Jesosy hivadika anefa izy, fa nanatanteraka tsy fidiny faminaniana momba ny hahafatesan’i Jesosy ho sorona. Tsy nisy tsiny i Jesosy rehefa maty ka afaka nanome ny vidim-panavotana. Ny fahafatesany (sy ny fitsanganany) no anafahany ny olombelona mpanota tsy ho eo ambany fahefan’i Satana. Tonga nofo aman-dra mantsy izy “mba ho ny fahafatesany no hanafoanany an’ilay manan-kery hahatonga fahafatesana, dia ny Devoly, ary mba hanafahany an’ireo rehetra nandevozina nandritra ny androm-piainany noho ny tahotra ny fahafatesana.”​—He 2:14, 15.

Miady amin’ny Kristianina foana. Niady tamin’ny mpianatr’i Kristy foana i Satana taorian’ny nitsanganan’i Jesosy, araka ny hita ao amin’ny Asan’ny Apostoly sy ny boky hafa ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Nilaza, ohatra, i Paoly fa ‘nasiana tsilo ao amin’ny nofo izy, izany hoe anjelin’i Satana, mba hamely azy tsy an-kijanona.’ (2Ko 12:7) ‘Niseho ho toy ny anjelin’ny mazava’ i Satana mba tsy hahafantarana ny tena toetrany sy fikasany, toy ny tamin’izy namitaka an’i Eva ihany. ‘Niseho foana ho toy ny mpanompon’ny fahamarinana koa’ ny mpanompony. (2Ko 11:14, 15) Anisan’izany ireo apostoly sandoka niady tamin’i Paoly (2Ko 11:13) sy ireo ‘nihambo ho Jiosy nefa tsy izy, fa synagogan’i Satana’ tany Smyrna. (Ap 2:9) Miampanga an’ireo Kristianina “andro aman’alina” i Satana hoe hivadika izy ireo, toy ny niampangany an’i Joba ihany. (Ap 12:10; Lk 22:31) Manana “mpanampy any amin’ny Ray” anefa izy ireo, “dia i Jesosy Kristy, ilay marina” izay miseho eo anatrehan’Andriamanitra ho azy ireo.​—1Jn 2:1.

Hatsipy any amin’ny lavaka mangitsokitsoka ary haringana amin’ny farany. Hoy Andriamanitra tamin’ilay menarana (tamin’i Satana, raha ny marina, satria ny biby tsy hahatakatra hoe inona ilay adihevitra), rehefa voataonan’i Satana hikomy i Eva ary avy eo i Adama: “Vovoka no hohaninao mandritra ny androm-piainanao. Ary hataoko mifandrafy ianao sy ny vehivavy, ary ny taranakao sy ny taranany. Hanorotoro ny lohanao izy io, ary ianao kosa handratra azy eo amin’ny voditongony.” (Ge 3:14, 15) Te hilaza Andriamanitra fa voaroaka tsy ho anisan’ny fandaminany masina i Satana, ary tsy manana fanantenana intsony fa toy ny hoe ‘hihinam-bovoka’ mandra-pahafatiny. Hanorotoro ny lohany ilay ‘taranaka’ ka ho faty izy. Tamin’i Kristy teto an-tany, dia fantatr’ireo demonia fa izy Ilay hanipy azy ireo ao amin’ny “lavaka mangitsokitsoka”, na “hampijaly” azy, izany hoe tsy hamela azy hanao na inona na inona.​—Mt 8:29; Lk 8:30, 31; jereo MAMPIJALY.

Resahin’ny bokin’ny Apokalypsy ny andro farany iainan’i Satana sy ny hiafarany. Natsipy tetỳ an-tany izy tamin’i Kristy lasa Mpanjaka. Tsy afaka mankany an-danitra intsony àry izy, tsy toy ny tamin’ny andron’i Joba sy taorian’izay. (Ap 12:7-12) Resy izy ka “fohy ny fotoana ananany”, ary iadiany ireo ‘sisa amin’ny taranaky ny vehivavy, izay mitandrina ny didin’Andriamanitra sy nanankinana ny asa fitoriana momba an’i Jesosy.’ Miezaka ny handrapaka an’ireo sisa amin’ny taranaky ny vehivavy izy, ka antsoina hoe “ilay dragona”, izany hoe mpitelina na mpanapotika. (Ap 12:16, 17; ampit. Je 51:34. Nisolo tena an’i Jerosalema sy Joda i Jeremia ao rehefa niteny hoe: ‘Toy ny bibilava ngezabe [“dragona”, Kat.] nitelina ahy i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona.’) Izy ilay “dragona lehibe mena toy ny afo” miady amin’ilay vehivavy sy mitady handrapaka ny zanany lahy.​—Ap 12:3.

Hofatoran’ny anjely mahery iray i Satana, ka hatsipy ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka ary hogadraina ao arivo taona. I Jesosy Kristy ilay anjely manana ny lakilen’ny lavaka mangitsokitsoka, ary izy ilay ‘taranaka’ hanorotoro ny lohan’i Satana.​—Ap 20; ampit. 1:18; jereo LAVAKA MANGITSOKITSOKA.

Hovahana “vetivety” i Satana raha vao mifarana ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Hitarika olona mpikomy hanohitra ny fitondran’Andriamanitra izy. Izay no ezaka farany hataony, satria ho resy izy ka hatsipy ao amin’ny farihy afo sy solifara (izy sy ny demoniany), izany hoe ho ringana mandrakizay.​—Ap 20:1-3, 7-10; ampit. Mt 25:41; jereo FARIHY AFO.

Inona no hevitry ny hoe ‘manolotra olona iray ho an’i Satana mba handringanana ny nofo’?

Nanao firaisana tamin’ny vadin-drainy ny lehilahy iray anisan’ny fiangonan’i Korinto. Hoy àry i Paoly: ‘Atolory ho an’i Satana ralehilahy handringanana ny nofo.’ (1Ko 5:5) Tokony horoahina tsy ho anisan’ny fiangonana ralehilahy, ka tsy tokony hisy hifandray aminy intsony. (1Ko 5:13) Natolotra ho an’i Satana àry izy rehefa noroahina mba ho anisan’ny tontolo fehezin’i Satana, izay andriamanitra sy mpitondra azy io. Toy ny “lalivay kely” tao amin’ilay “koba manontolo” ralehilahy. Izy ilay “nofo” teo anivon’ny fiangonana satria nanaraka ny filan’ny nofo izy. Nandringana an’ilay “nofo” àry ilay fiangonana notarihin’ny fanahy, rehefa nandroaka azy. (1Ko 5:6, 7) Natolotr’i Paoly ho an’i Satana koa i Hymeneo sy Aleksandra, satria nanilika ny finoana sy ny feon’ny fieritreretana madio izy ireo ka toy ny olona vaky sambo ny amin’ny finoana.​—1Ti 1:20.

Toa nibebaka ilay lehilahy noroahina tany Korinto ka niova. Nampirisihin’i Paoly àry ilay fiangonana mba handray azy indray ka hamela ny helony. Fa nahoana? Hoy izy: “Mba tsy ho voafitak’i Satana ianareo, fa fantatsika ny teti-dratsiny.” (2Ko 2:11) Nanimba ny lazan’ilay fiangonana i Satana tamin’ny voalohany. Nilefitra loatra tamin-dralehilahy mantsy ilay fiangonana, ary ‘nirehareha’ fa tsy mba nalahelo na nieritreritra hoe afa-baraka. Voatery nananatra azy ireo àry i Paoly. (1Ko 5:2) Raha izao indray anefa izy ireo no tsy namela ny helok’ilay nibebaka, dia ho voafitak’i Satana koa satria hohararaotiny ny hamafin’ny fon’izy ireo sy ny fiziriziriny tsy hamela heloka. Fantatry ny Kristianina avy amin’ny fianarany ny Baiboly ny fisian’i Satana, ny heriny, ny fikasany sy ny teti-dratsiny, ary ny fomba fiasany. Afaka miady amin’io fahavalo tsy hita maso io àry izy ireo satria omen’Andriamanitra fiadiana ara-panahy.​—Ef 6:13-17.