Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Satroka, Fehiloha

Satroka, Fehiloha

Vita tamin’ny rongony tena tsara ny satroka lamba (heb.: mitsnefet) nahodinkodina tamin’ny lohan’ny mpisoronabe, ary nisy takela-bolamena nafatotra tamin’ny tady manga teo anoloany. (Ek 28:4, 36-40; Le 16:4) Teny hebreo hafa (migbaʽah) kosa no nilazana ny fehiloha ‘natao nihodidina tamin’ny lohan’ny’ mpisorona lefitra. Hafa àry ny bikan’ilay izy sady mety ho tsy niangaliana be toy ny satroky ny mpisoronabe. Tsy nisy takela-bolamena koa ilay izy.​—Le 8:13.

Noharin’i Joba tamin’ny fehiloha ny fampiharany ny rariny. (Jb 29:14; ampit. Oh 1:9; 4:7-9.) Nanao satroka lamba natao hoe tsanif (heb.) ny vehivavy hebreo indraindray. (Is 3:23) Misy hoe tsanif koa ny teny nadika hoe “fehilohan’ny mpanjaka” (Is 62:3) sy hoe ‘satroka lamban’ny’ mpisoronabe (Za 3:5).

Fehiloha nanaovan’ny mpampakatra ny hoe peʼer (Is 61:10), sady nanaovana rehefa faly. (Is 61:3; ampit. Ezk 24:17, 23.) Io koa no ilazana ny saron-dohan’ny vehivavy (Is 3:20) sy ny satroka lamban’ny mpisorona.​—Ezk 44:18.

Toa niendrika harato ny fehiloha (heb.: shevisim) sasany. (Is 3:18) Mety ho nareva-doko sy be haingonkaingony ny “satroka lamba nisy nikirazorazo” (heb.: tevolim) nanaovan’ny miaramila kaldeanina.​—Ezk 23:14, 15.

Nanao akanjo sy satroka ireo Hebreo telo lahy naman’i Daniela, rehefa natsipy tao anaty lafaoron’i Nebokadnezara. Mety ho famantarana ny toerana ambony notanan’izy ireo ny satrony, izay niendrika satro-bory, hono.​—Da 3:21.

Misy sarin’olona miady sy mihaza na sarina lapa sy tempoly ny ankamaroan’ny tsangambato sy sary mivohitra any Ejipta sy Babylona ary Asyria. Ny Ejipsianina anefa no tena manana sary maro ahitana mpanakanto sy mpivarotra. Hita eo koa ny mpanjaka sy mpiadidy sy olona ambony manao satroka isan-karazany, ary ny olon-tsotra izay tsy misatroka na manao ihany fa satroka teritery.