Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Savoka

Savoka

Toa ilay akora mavo malemilemy anaovan’ny renitantely ny rindrin’ny tohotra, izay misy efitrefitra fasiany ranon-tantely sy olitra vao foy, ilay savoka resahin’ny Baiboly. Fihary manokana ao anaty kibon’ny tantely mpiasa avy nigoka ranon-tantely no mamokatra azy io. Mivoaka eo amin’ny mason-kodiny bitika izy io, ka lasa takelaka kely fotsifotsy eo ivelan’ny kibony. Alefany any am-bavany ilay izy avy eo, ary tsakotsakoiny vao hanaovany an’ilay rindrina. Rehefa mila savoka ihany izy vao mamokatra azy io.​—Jereo TANTELY.

Mitsingevana ny savoka rehefa atsonika anaty rano mafana izy io sy ny ranon-tantely, ka mora esorina. Oharin’ny Baiboly amin’ny fitsoniky ny savoka ny fahoriam-po (Sl 22:14), ny famotehana ny tendrombohitra sy ny lemaka iva (Sl 97:5; Mi 1:4), ary ny fandringanana ny fahavalon’Andriamanitra. Hoy ny Salamo 68:1, 2: “Toy ny savoka atsoniky ny afo no aoka hahalevona ny ratsy fanahy tsy ho eo anatrehan’Andriamanitra.”