Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Seara-jasoba

Seara-jasoba

(Seàra-jasòba) [Hisy Sisa Tavela Hiverina].

Zanaka lahimatoan’i Isaia. Teo koa i Seara-jasoba tamin’i Isaia nanambara faminaniana tamin’i Ahaza Mpanjaka. Nanafika ny tanin’i Joda tamin’izay i Peka mpanjakan’ny Israely. (Is 7:1, 3) Famantarana sy fahagagana avy tamin’i Jehovah teo amin’ny Israely i Isaia sy ireo zanany lahy. Ny anaran’i Seara-jasoba àry dia nanambara mialoha fa “hisy sisa tavela hiverina” avy any an-tsesitany tany Babylona.​—Is 8:18; 10:21.