Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sebania

Sebania

(Sebanìa).

1. Mpisorona izy, ary nitsoka trompetra tao amin’ilay filaharam-be nanaterana ny Vata misy ny fifanekena tany Jerosalema, tamin’ny andron’i Davida.​—1Ta 15:3, 24.

2. Fianakaviamben’ny mpisorona. I Josefa no nisolo tena an’io fianakaviambe io tamin’ny andron’i Joiakima mpandimby an’i Jesoa Mpisoronabe. (Ne 12:12, 14) Ny anaran’i Sekania no hita eo amin’ny toerana tokony hisy ny anaran’i Sebania, ao amin’ny lisitr’ireo mpisorona niverina niaraka tamin’i Zerobabela, tamin’ny 537 T.K. (Ne 12:1-7) Nanisy tombo-kase ny fifanekena natao tamin’ny fotoana naha governora an’i Nehemia ny olona iray anisan’io fianakaviambe io, na mpisorona iray hafa nantsoina koa hoe Sebania.​—Ne 10:1, 4, 8.

3. Levita iray na solontenan’ny fianakaviana levita nantsoina hoe Sebania. Niara-belona tamin’i Ezra sy Nehemia izy, ary nitarika ny Jiosy hanao vavaka fieken-keloka. Nanao fifanekena ny tsy hivadika ny Jiosy avy eo, ary nasian’izy ireo tombo-kase ilay izy.​—Ne 9:4, 5, 38; 10:1, 9, 10.

4. Levita hafa iray nanisy tombo-kase an’ilay fianianana voaresaka tetsy aloha. Mety ho tamin’ny anarany no nanaovany izany, na tamin’ny anaran’ny razambeny.​—Ne 9:38; 10:9, 12.