Sebna
(Sebnà) [mety ho fanafohezana ny hoe Sebania].
Manamboninahitr’i Hezekia Mpanjaka. Nitana toerana ambony i Sebna, satria “mpiandraikitra ny trano”, izay azo inoana fa ny tranon’i Hezekia. Naniraka an’i Isaia anefa i Jehovah mba hilaza mialoha tamin’i Sebna fa ‘horoahina hiala amin’ny toerany’ izy. Nahoana? Satria angamba noho izy nirehareha sady matimatim-boninahitra. Nanangana fasana mora hitam-bahoaka mantsy izy. Nomena an’i ‘Eliakima mpanompon’Andriamanitra’ ny akanjom-boninahitr’i Sebna sy ny fehikibo lambany, sy ny fahefany, ary “ny lakilen’ny ankohonan’i Davida.”—Is 22:15-24.
Tsy nesorina tamin’i Sebna daholo anefa ny andraikiny rehetra. Anisan’ireo nirahina hiresaka tamin’i Rabsake koa mantsy i Sebna mpitan-tsoratry ny mpanjaka, rehefa nandrahona ny hanafika an’i Jerosalema i Sankeriba tamin’ny 732 T.K. Niaraka tamin’i Sebna tamin’izay i Eliakima (izay efa lasa mpiandraikitra ny trano) sy ny mpanoratra ny raharaham-panjakana. Nandrovitra ny akanjony izy ireo rehefa niverina nitondra ny tatitra tany amin’i Hezekia. Nirahin’i Hezekia ho any amin’i Isaia izy ireo avy eo, mba hanontany an’i Jehovah.—2Mp 18:18–19:7; Is 36:3–37:7.