Seboela
(Seboèla) [Izy dia Niverina Tamin’Andriamanitra; Babon’Andriamanitra].
Lehilahy roa no nantsoina hoe Seboela, ary samy nantsoina hoe Sobaela koa izy ireo.
1. Levita zanak’i Gersoma na taranany. Zanak’i Mosesy i Gersoma. (1Ta 23:15, 16) Anisan’ireo voasoratra anarana ny fianakaviamben’i Seboela (Sobaela), rehefa nalamin’i Davida indray ny fanompoan’ny Levita. (1Ta 24:20, 30b, 31) Nasaina niandraiketan’io fianakaviambe io koa ny trano fitehirizana entana.—1Ta 26:24.
2. Iray tamin’ireo zanakalahin’i Hemana. Mpitendry zavamaneno tena nahay izy ary voafidy tamin’ny antsapaka ho lehiben’ny fizarana faha-13 tamin’ireo antokona mpitendry zavamaneno tao amin’ny toerana masina.—1Ta 25:4, 6, 9, 20.