Sedera
[Heb.: ʼerez].
Nalaza ny hazo sedera fahiny, indrindra fa ny an’i Libanona. Miresaka betsaka azy io ny tantaran’ny fanorenana ny tempolin’i Solomona.
Hazo mijoalajoala misy fakany lalina sy matanjaka ny sederan’i Libanona (Cedrus libani). Rakotra alana sedera ny tendrombohitr’i Libanona taloha, saingy hazo mitsitokotoko sisa tavela. Notrandrahina tafahoatra mantsy izy ireny, ary tsy mba nisy hazo novolena ho solony na nisy hazo narovana. Nanampy trotraka an’izany koa ny ady. (Is 14:5-8) Mbola tsara tarehy foana anefa ireo hazo sisa tavela.—Ampit. To 5:15.
Misy sedera mirefy 37 m ny haavony, ary mety hahatratra 12 m ny manodidina ny vatabeny. Misandrahaka marin-drano ny sampany lava, ka mety ho 60 ka hatramin’ny 90 m ny manodidina an’ilay hazo. Miendrika piramida ilay hazo raha mbola tanora, fa lasa marin-tampona kosa rehefa lehibe. Tsy mifampidipiditra ny sampany fa maniry marin-drano sady manao ambaratonga. Lavalava toy ny fanjaitra (1,3 sm eo ho eo) ny raviny maitso, ary manome endrika voninkazo boribory ny raviny maromaro maniry mihodidina ny tahony. Mamoaka dity manitra ny voany mivolontany mafy hoatran’ny voan-kesika. Volontsôkôlà somary mena ny hoditr’ilay hazo marokoroko, ary miolikolika ny vatabeny rehefa mihantitra.
Manopy mena ny hazo sedera, tsy misy fariparitra boribory, ary tian’ny mpanao trano satria tsara tarehy, manitra, mateza, ary tsy tian’ny bibikely. (To 1:17; 4:11) Nanaovan’ny mpanao sambo fenisianina andrin-tsambo izy io. (Ezk 27:5) Nanome mpiasa sy namatsy fitaovana hanorenana ny ‘trano sederan’i’ Davida tany Jerosalema i Hirama mpanjakan’i Tyro. (2Sa 5:11; 7:2; 2Ta 2:3) Vatan-kazo sedera koa no nampiasaina tao amin’ny tempolin’i Solomona (1Mp 6:9), ary nopetahana takela-kazo sedera ny alitaran’ny emboka manitra (1Mp 6:20) sy ny aty rindrina rehetran’ny tempoly ka “tsy nisy vato tazana.” (1Mp 6:15-18) Natao hoe “Trano Alan’i Libanona” ny trano iray naorina tatỳ aoriana, angamba satria nisy andry sedera 45. (1Mp 7:2, 3) Nampiasaina tamin’ny Lala-mitafon’ny Seza Fiandrianana sy ny tokotanin’ny tempoly koa ny sedera.—1Mp 7:7-12.
Mpiasa an’arivony no nilaina hikapa an’ireny hazo sedera maro be ireny, hanatitra azy tany Tyro na Sidona teny amoron’i Mediterane, hanambatra azy ho zahatra, ary handefa azy teny ambony ranomasina nidina nankany Jopa angamba. Notaritina an-tanety nankany Jerosalema ireny avy eo. Izany asa rehetra izany no nifanarahan’i Solomona sy Hirama. (1Mp 5:6-18; 2Ta 2:3-10) Mbola nisy vatan-kazo maro tonga tatỳ aoriana, ka nataon’i Solomona ‘betsaka toy ny aviavidia ny hazo sedera’ tamin’ny androny.—1Mp 10:27; ampit. Is 9:9, 10.
Nahazo hazo sedera avy any Libanona koa ireo nanorina indray ny tempoly taorian’ny sesitany.—Ezr 3:7.
Heviny an’ohatra. Ilazana hatsaran-tarehy, fahamboniana, ary tanjaka (tena izy na tsia) ny hazo sedera ao amin’ny Baiboly. (Ezk 31:2-14; Am 2:9; Za 11:1, 2) Nanambany an’i Amazia mpanjakan’ny Joda àry i Joasy mpanjakan’ny Israely, rehefa nilaza fa toy ny “tsilo” ny fanjakan’izy io fa ny azy kosa toy ny sedera mafy any Libanona. (2Mp 14:9; ampit. Mpts 9:15, 20.) Toy ny laingon’ny hazo sedera hoentina any Babylona ny mpanjaka sy andriana tao Joda (Ezk 17:1-4, 12, 13), hoy i Ezekiela tao amin’ny ankamantatra nataony (toko 17). Ny Mesia kosa nohariny tamin’ny rantsana eny an-tampon’ilay hazo. Ambolen’i Jehovah eny amin’ny tendrombohitra manerinerina io rantsana io.—Ezk 17:22-24; ampit. Is 11:1; Je 23:5; 33:15; Sl 2:6; Ap 14:1; Da 4:17.
Tsy sederan’i Libanona, fa mety ho sedera misy voa mivolontsôkôlà (Juniperus oxycedrus) na zenevrie fenisianina (Juniperus phoenicia), ny sedera nampiasain’ny Israelita tany an-tany efitr’i Sinay. Maro an’ireo mantsy any. Nampiasaina tamin’ny fombafomba fidiovana sasany koa ny rantsankazo sedera mba hampisehoana fa madio na sitrana ny olona iray, angamba noho izy io tsy mora lo.—Le 14:2-7, 49-53; No 19:6.
Mety hanana heviny tsara na ratsy àry ny sedera an’ohatra. Te hisongadina ny mpanjakan’ny Joda nivadika sy tia vola, ka samy nanao trano nisy hazo sedera. Nihevi-tena ho ambony sy tsy nanana ahiahy izy ireo, ka toy ny hazo sedera. (Je 22:13-15, 23; Is 2:11-13) Toy ny fitomboan’ny sedera mamaka tsara koa anefa ny fitomboan’ny olo-marina. (Sl 92:12; ampitahao Is 61:3 sy Sl 104:16.) Hampiseho ny heriny i Jehovah ka hanapatapaka an’ireo sederan’i Libanona sy ‘hampitsambikimbikina azy [eny an-tendrombohitra] toy ny zanak’omby.’ (Sl ) Hampaniry hazo sedera koa anefa izy na any an-tany efitra aza ( 29:4-6Is 41:19, 20), ary nosinganiny tamin’ny hazo izy io hoe ho isan’ny zavaboary hidera ny anarany be voninahitra.—Sl 148:9, 13.