Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sekema

Sekema

(Sekèma) [Soroky [ny Tany]].

1. Zanakalahin’i Hamora Hivita, izay mpiadidy. (Ge 33:19; Js 24:32) Nanorim-ponenana teo akaikin’ny tanànan’i Sekema (jereo No. 4) i Jakoba, ary nanomboka ninamana tamin’ny zazavavy tao an-tanàna i Dina zanany vavy. Voalaza fa i Sekema no lehilahy “mendri-kaja indrindra tao amin’ny ankohonan-drainy manontolo.” Rehefa nahita an’i Dina izy, dia “naka azy ka nametaveta azy.” Raiki-pitia tamin’i Dina izy avy eo, ary naniry haka azy ho vady. Tezitra mafy ny zanakalahin’i Jakoba ka nilaza “tamim-pitaka” hoe tsy afaka manambady olona tsy mifora ry zareo. Nety tamin’i Sekema sy Hamora rainy ilay hevitra, ka noresen’izy ireo lahatra ny mponina tao Sekema mba hanaiky hoforana. Mbola tsy sitrana ny ferin’ireo lehilahy tao Sekema, dia nanafika an’ilay tanàna i Simeona sy Levy, zanakalahin’i Jakoba, ka novonoiny i Hamora sy Sekema ary ny lehilahy rehetra tao an-tanàna.​—Ge 34:1-31.

2. Zanakalahin’i Gileada avy amin’ny fokon’i Manase. I Sekema no lohan’ny fianakaviamben’ny Sekemita, izay tsy tokony hafangaro amin’ny Kananita nonina tao Sekema.​—No 26:28, 30, 31; Js 17:2.

3. Zanakalahin’i Semida, avy amin’ny fokon’i Manase.​—1Ta 7:19.

4. Tanàna fahiny tao Naplouse ankehitriny, na raha ny marina kokoa dia tao Tell Balata, izay eo akaiky eo. (Sl 60:6; 108:7; SARY, Boky 1, p. 530) Eo amin’ny farany atsinanana amin’ilay lohasaha tery eo anelanelan’ny tendrombohitra roa (Gerizima sy Ebala) no misy an’i Tell Balata, tokotokony ho 48 km any avaratr’i Jerosalema. Azon-drano tsara ilay toerana, ary misy tany lemaka lonaka eo atsinanany. Nandalo tao an-tanànan’i Sekema fahiny ny lalambe nampitohy ny atsinanana sy ny andrefana ary ny avaratra sy ny atsimo, izay namakivaky ny afovoan’i Palestina. (Ampit. Mpts 21:19.) Tsy toerana tsara itobian’ny miaramila izy io satria tsy mba eny ambony tendrombohitra. Manda àry no niarovana an’ilay tanàna.​—Mpts 9:35.

Tonga hatrany amin’ilay “toerana atao hoe Sekema” i Abrama (Abrahama), tamin’izy tonga tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Nitoby teny akaikin’ireo hazoben’i More izy, ary nanorina alitara teo, tatỳ aoriana. (Ge 12:6-9) Efa ho 200 taona tatỳ aoriana, dia niverina avy tany Padana-arama i Jakoba, ka nanangana tranolay tandrifin’i Sekema, ary nividy tany teo. Novonoin’i Simeona sy Levy, zanak’i Jakoba, ny lehilahy rehetra tao Sekema, satria nametaveta an’i Dina anabaviny i Sekema zanak’i Hamora. (Ge 33:18–34:31) Nasain’Andriamanitra niala tao Sekema i Jakoba. Talohan’ny hialany anefa, dia nalainy ny andriamani-kafa sy ny kavina rehetra tany amin’ny ankohonany, ka naleviny teo am-pototr’ilay hazobe tany akaikin’i Sekema. (Ge 35:1-4) “Nataon’Andriamanitra nihorohoro” ny olona, ka tsy nisy sahy nanenjika an’i Jakoba. Toa mbola nihorohoro ihany izy ireo na dia tatỳ aoriana aza satria tsy natahotra ireo zanakalahin’i Jakoba rehefa niandry ny andian’ondriny teny akaikin’i Sekema.​—Ge 35:5; 37:12-17.

Roanjato taona mahery taorian’ny nijanonany tany Ejipta, dia niditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina ny Israelita, taranak’i Jakoba, ka nandevina ny taolambalon’i Josefa “tao Sekema, tao amin’ilay sombin-tany novidin’i Jakoba farantsa volafotsy zato tamin’ny taranak’i Hamora.” (Js 24:32) Nilaza anefa i Stefana, tamin’izy niaro ny tenany teo anatrehan’ny Jiosy, fa “tao amin’ny fasana novidin’i Abrahama ... tamin’ny zanakalahin’i Hamora, tany Sekema” no nalevina i Josefa. (As 7:16) Angamba nisy teny latsaka io tenin’i Stefana io, ka mety ho toy izao ny vakiny raha fenoina: ‘Ary nidina nankany Ejipta i Jakoba, dia maty izy, ary maty koa ny razantsika ka nafindra tany Sekema, ary nalevina tao amin’ny fasana novidin’i Abrahama farantsa volafotsy [sy tao amin’ny fasana izay novidina] tamin’ny zanakalahin’i Hamora, tany Sekema.’ (As 7:15, 16) Na mety ho azo hazavaina toy izao koa izany: Zafikelin’i Abrahama i Jakoba, ka azo lazaina hoe i Abrahama no nividy an’ilay tany satria i Abrahama no loham-pianakaviana, izany hoe ny anaran’ny razambe no notononina mba hilazana ny taranaka atỳ aoriana, toy ny natao tamin’ny anaran’Israely (Jakoba) sy ny hafa.​—Ampit. Ho 11:1, 3, 12; Mt 2:15-18.

Rehefa nozaraina ny Tany Nampanantenaina, dia toa tafiditra tao amin’ny faritanin’i Manase i Sekema, tokotokony ho 3 km avaratrandrefan’i Mikmeta, izay tanàna teo amin’ny sisin-tany. (Js 17:7) Voalaza anefa fa tao “amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima” i Sekema, ka mety ho tanànan’i Efraima izy io, saingy tafiditra tao amin’ny faritanin’i Manase. (Js 16:9; 1Ta 6:67) Nomena ny Levita i Sekema sy ny tanàna hafan’i Efraima, ka nohamasinina ho tanàna fialokalofana. (Js 21:20, 21) Talohan’ny nahafatesan’i Josoa, dia novoriny tao Sekema ny fokon’ny Israely rehetra ka nampirisihiny hanompo an’i Jehovah.​—Js 24:1-29.

Lasa nanompo an’i Bala-berita ny mponina tao Sekema, na dia tao aza ny Israelita no nanao fifanekena fa hanaraka ny fivavahana marina foana. (Mpts 8:33; 9:4) Anisan’ny nanao an’i Abimeleka (zanakalahin’i Gideona Mpitsara tamin’ilay vadikeliny sekemita) ho mpanjaka koa ny mponina tao. Nikomy tamin’i Abimeleka Mpanjaka anefa izy ireo tatỳ aoriana. Noravan’i Abimeleka àry ilay tanàna sady nofafazany sira, angamba mba hirariana fandringanana mandrakizay.​—Mpts 8:31-33; 9:1-49; Sl 107:33, 34; jereo ABIMELEKA No. 4; BALA-BERITA.

Naorina indray i Sekema tatỳ aoriana. Lasa tanàna lehibe izy io, satria tao i Rehoboama no natao mpanjaka. (1Mp 12:1) Rehefa nizara ho roa ny fanjakana, dia nanao asa fanorenana tao Sekema i Jeroboama, mpitondra voalohany teo amin’ny fanjakana tany avaratra, ary toa nanjaka kelikely tao izy. (1Mp 12:25) Taonjato maro tatỳ aoriana, tamin’ny 607 T.K., rehefa noravan’ny Babylonianina i Jerosalema, dia nisy lehilahy avy tao Sekema nankany Jerosalema mba hivavaka.​—Je 41:5.