Seko
(Sèko).
Toa anaran-toerana nisy lavaka lehibe fanangonan-drano. Tany Seko i Saoly no nitady an’i Samoela sy Davida. (1Sa 19:21, 22) Tany akaikin’i Rama no nisy azy io, saingy tsy tena fantatra hoe taiza. Misy manam-pahaizana tsy nandika an’i “Seko” ho anaran-tsamirery, fa hoe “famoloana eo amin’ny havoana mangadihady.” (Ce; Jé, 1955) Nisy sora-tanana grika sy latinina narahin’izy ireo tamin’izany.