Sekta
Hairesis no teny grika nadika hoe “sekta.” Midika hoe “safidy” izy io (Le 22:18, LXX), na “izay voafidy”, na “antokon’olona nisaraka tamin’ny hafa ary manana ny fampianarany manokana [sekta na antoko].” (Diksioneran’ny Testamenta Vaovao Grika-Anglisy, nataon’i Thayer, 1889, p. 16) Nampiasaina ny teny hoe “sekta” mba hilazana ny mpanaraka an’ireo sampana roa lehibe tao amin’ny Fivavahana Jiosy, izany hoe ny Fariseo sy ny Sadoseo. (As 5:17; 15:5; 26:5) Nantsoin’ny tsy Kristianina hoe “sekta” na “sektan’ny Nazareanina” ny Fivavahana Kristianina, satria angamba noheveriny fa niendaka tamin’ny Fivavahana Jiosy.—As 24:5, 14; 28:22.
I Jesosy Kristy no nanorina ny Fivavahana Kristianina, ary nivavaka izy mba ho tafaray foana ny mpanara-dia azy. (Jn 17:21) Zava-dehibe tamin’ireo apostoly koa ny firaisan-tsainan’ny fiangonana kristianina. (1Ko 1:10; Jd 17-19) Ny tsy fitovian’ny zavatra inoana mantsy mahatonga adihevitra be sy fifandirana mafy ary fifandrafiana mihitsy aza. (Ampit. As 23:7-10.) Tsy tokony hisy hamorona sekta àry, satria asan’ny nofo izany. (Ga 5:19-21) Nampitandremana ny Kristianina mba tsy hamorona sekta na ho voataonan’ny mpampianatra sandoka. (As 20:28; 2Ti 2:17, 18; 2Pe 2:1) Hoy ny apostoly Paoly tamin’i Titosy: “Halaviro ny olona mamorona sekta, rehefa avy nanarinao indray mandeha ary mbola nanarinao fanindroany.” (Tit 3:10) Azo inoana fa te hilaza izy hoe tokony horoahina tsy ho anisan’ny fiangonana ilay olona. Nisy kosa olona tsy nety ho anisan’ireo nahatonga fisaratsarahana ary tsy nety nanohana antokon’olona. Niavaka izy ireny noho izany tsy fivadihany izany, ary hita fa nankasitrahan’Andriamanitra. Izany angamba no tian’i Paoly holazaina tamin’ny Korintianina hoe: “Azo antoka fa misy sekta eo aminareo mba ho hita miharihary izay olona ankasitrahana eo anivonareo.”—1Ko 11:19.