Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sela, I

Sela, I

(Sèla).

1. [Heb.: Shelah, mety hidika hoe Zana-tsipìka]. Zanakalahin’i Arpaksada sady zafikelin’i Sema. Teraka tamin’ny 2333 T.K. izy ary maty tamin’ny 1900 T.K., tamin’izy 433 taona. Razamben’ny fianakaviana iray tamin’ireo fianakaviana 70 taorian’ny Safodrano i Sela, ary toy izany koa i Ebera zanany lahy. Hita ao amin’ny tetirazan’i Jesosy fa anisan’ny razamben’i Sela i Sema sy Ebera ary Abrahama.​—Ge 10:22, 24; 11:12-15; 1Ta 1:18, 24; Lk 3:35.

2. [Heb.: Shelah, mety hidika hoe Fangatahana]. Zanakalahin’i Joda fahatelo, avy tamin’ilay vadiny kananita. (1Ta 2:3) Tokony hitondra loloha an’i Tamara i Sela, kanefa tsy nomena ho vadiny i Tamara. (Ge 38:1-5, 11-14, 26) Taranak’i Sela ny fianakaviamben’ny Selita, ary niara-notanisaina ny anaran’ny sasany tamin’izy ireo sy ny toerana nonenany. Nisy Selita niverina avy tany an-tsesitany tany Babylona.​—No 26:20; 1Ta 4:21-23; 9:5; Ne 11:5.

[3-5: Harambato]

3. Toerana akaikin’ny sisin-tanin’ny Amorita, taorian’ny nahazoan’ny Israelita ny Tany Nampanantenaina. (Mpts 1:36) Tsy fantatra ankehitriny hoe taiza no nisy azy io. Misy mihevitra fa ilay Sela tany Edoma (2Mp 14:7) ihany ity eto ity. Tsy misy porofo anefa hoe tonga hatrany atsimo, hatrany amin’ny faritra nofehezin’ny Edomita, ny faritanin’ny Amorita.

4. Tanàn-dehibe tany Edoma. Resin’i Amazia mpanjakan’ny Joda izy io, ka novany hoe Joktela ny anarany. (2Mp 14:7) Mety ho i Sela ilay “tanàna voaro mafy” resahin’ny Salamo 108:10.

Misy mihevitra azy io ho i Omm el-Biyara, tanàna eny amin’ny toerana be harambato, 100 km eo ho eo avaratra avaratratsinanan’ny tendrony avaratry ny Hoalan’i ʽAkaba. Eo amin’ny ilany andrefan’ilay tany lemaka nanorenan’ny Nabateanina ny tanànan’i Petra no misy azy io. Voaro tsara io tany lemaka io, satria lalana tery miolakolaka anelanelana harambato vatovary mideza be no ahafahana mankany. Tsy anisan’i Sela, tanàna edomita fahiny, ny sisa tavela amin’ilay tanànan’i Petra, toy ireo tempoly sy fasana ary fonenana naorina tao anaty vatolampy. Misy manam-pahaizana nilaza vao haingana fa mety ho es-Selaʽ, 4 km eo ho eo avaratra avaratrandrefan’i Bozra, i Sela.

5. Tanàna voatonona ao amin’ny fanamelohana an’i Moaba. (Is 15:1; 16:1) Tsy fantatra raha io ihany ilay voaresaka eo amin’ny No. 4.