Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sela, II

Sela, II

(Sèla).

Litera hebreo no nadika hoe Sela, izay miverimberina ao amin’ny Salamo, ary hita koa ao amin’ny Habakoka toko faha-3. Tsy tena fantatra ny dikany, na dia heverina ho teny fampiasa tamin’ny mozika na tsianjery aza izy io. Mety hidika izy io hoe “miato, na mijanona kely” ny fihirana an’ilay salamo fa hisy mozika, na miato ny fihirana sy mozika mba hisainana mangina. Na ahoana na ahoana, dia azo antoka fa nanasongadina sy nandentika tao an-tsaina ny hevi-dehibe na fihetseham-po ao amin’ny fehezanteny farany amin’ilay hira ilay fiatoana. Diapsalma (“mozika anelanelan’ny hira”) no nandikan’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo ny hoe Sela. Eo amin’ny faran’ny fehezanteny sy andalana foana izy io, ao amin’ny hira misy teny na toromarika momba ny mozika. Miaraka amin’ny hoe “Higaiona” izy io ao amin’ny Salamo 9:16, ka heverin’ny sasany ho midika hoe tokony hampiarahina amin’ny feona harpa.