Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Seleokia

Seleokia

(Seleokìa).

Seranana voaro tsara nanamorona ny Ranomasina Mediterane. Seranan’i Antiokia any Syria izy io, tokotokony ho 20 km any atsimoandrefan’io Antiokia io. Nisy lalana nampitohy an’ireo toerana roa ireo; ary ny Reniranon’i Oronte, izay nandalo an’i Antiokia, dia nivarina tao amin’ny Ranomasina Mediterane, teo atsimo kelin’i Seleokia. Niaraka tamin’i Barnabasy i Paoly naka sambo tao, teo am-piandohan’ny dia misionera voalohany nataony (t. 47). (As 13:4) Tsy miresaka an’i Seleokia intsony ny Asan’ny Apostoly aorian’izay. Azo inoana anefa hoe anisan’ny toerana nisehoan’ireo zava-nitranga voatantara ao i Seleokia. (As 14:26; 15:30-41) Antsoina hoe Seleokia any Pieria izy io indraindray, mba hanavahana azy tamin’ireo Seleokia hafa fahiny tany atsinanan’ny Ranomasina Mediterane. Eo avaratra kelin’i Soveydiye na Samandaga, any Torkia no misy azy io. Lasa honahona ny seranan’i Seleokia noho ireo antsanga nentin’i Oronte.