Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Selomita

Selomita

(Selômìta) [avy amin’ny fototeny midika hoe “fiadanana”].

1. Danita zanakavavin’i Dibry, ary nitera-dahy tamin’ny Ejipsianina iray. Niteny ratsy ny anaran’i Jehovah io zanany io tany an-tany efitra, ka novonoina.​—Le 24:10-14, 23.

2. Levita Kehatita anisan’ny fianakavian’i Jizara. Nantsoina koa hoe Selomota izy.​—1Ta 23:12, 18; 24:22.

3. Levita taranak’i Eliezera zanak’i Mosesy. Antsoina koa hoe Selomota izy.​—1Ta 26:25-28.

4. Zanakalahin’i Rehoboama mpanjakan’ny Joda tamin’i Maka vady tiany indrindra. Rahalahin’i Abia Mpanjaka i Selomita.​—2Ta 11:20-23; 12:16.

5. Zanakavavin’i Zerobabela Governora.​—1Ta 3:19.

6. Zanakalahin’i Josifia ary lohan’ny fianakaviamben’i Bany. Nankany Jerosalema niaraka tamin’i Ezra i Selomita sy ny namany 160 lahy.​—Ezr 8:1, 10.