Sema
(Sèma).
1. [Anarana; Laza]. Iray tamin’izy telo lahy zanak’i Noa. “Avy tamin’ireo no nielezan’ny mponina rehetra teto an-tany”, taorian’ilay Safodrano naneran-tany.—Ge 6:10; 9:18, 19.
Nalahatra foana hoe “Sema sy Hama ary Jafeta” izy telo lahy, nefa tsy midika izany hoe notanisaina arakara-jokiny izy ireo. Tsy hoe satria tononina voalohany i Sema dia midika izany hoe izy no lahimatoan’i Noa. Amin’ireo zanakalahin’i Sema, ohatra, dia i Arpaksada no voatonona fahatelo, nefa izy no lahimatoa. (Ge 10:22; 1Ta 1:17) Azo adika amin’ny fomba samihafa ny Genesisy 10:21, raha ny teny hebreo tany am-boalohany no jerena. Misy Baiboly milaza an’i Sema hoe “rahalahin’i Jafeta izay zokiny indrindra [izay zokiny, Prot., JM, FFBF]”, fa misy kosa milaza an’i Sema hoe “zokin’i Jafeta.” (Kat., DIEM, BFC) Tsy mitovy koa ny dikan-teny tranainy. Ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo sy ny fandikan-tenin’i Symmaque ary ny Targoman’i Onkelos, ohatra, dia milaza fa i Jafeta no zokiny. Ny Boky Dimy Voalohany amin’ny teny samaritanina sy ny Vulgate latinina ary ny dikan-teny syriàka maromaro kosa milaza hoe i Sema no zokin’i Jafeta. Azo inoana anefa fa zanakalahy faharoa naterak’i Noa i Sema, ary zandrin’i Jafeta. Manamarina tsara an’izany ny andininy hafa ao amin’ny Baiboly.
Milaza ny Baiboly fa tsy niteraka i Noa, raha tsy efa 500 taona (2470 T.K.). Efa 600 taona izy tamin’ny Safodrano, ary i Sema kosa efa nanambady. (Ge 5:32; 6:18; 7:6) Voalaza fa niteraka an’i Arpaksada lahimatoany i Sema, roa taona taorian’ny Safodrano (2368 T.K.), ary 100 taona izy tamin’izay. (Ge 11:10) Midika izany fa 502 taona i Noa rehefa niteraka an’i Sema (2468 T.K.). Toa i Hama no lazaina hoe ‘faralahy’ (Ge 9:24), ka hita amin’izany fa i Jafeta no lahimatoan’i Noa, izany hoe ilay naterak’i Noa tamin’izy 500 taona.
Taorian’ny niterahan’i Sema an’i Arpaksada, dia mbola niteraka lahy hafa (sy vavy) izy, anisan’izany i Elama, Asyra, Loda, ary Arama. (Ge 10:22; 11:11) Asehon’ny 1 Tantara 1:17 (andininy mifanitsy amin’ny Genesisy 10:23) fa mbola misy an’i “Oza sy Hola sy Gatera ary Masy” ny zanakalahin’i Sema taorian’i Arama. Ny Genesisy 10:23 kosa milaza fa zanak’i Arama ireo. Porofoin’ny Baiboly sy ny tantara àry fa i Sema no razamben’ny vahoaka semitika, izany hoe ny Elamita, ny Asyrianina, ny Kaldeanina voalohany, ny Hebreo, ny Aramianina (na Syrianina), ny foko arabo maromaro, ary angamba koa ny Lydianina avy any Azia Minora. Hita amin’izany fa nitangorona tany Azia Atsimoandrefana ny taranak’i Sema, ary izy ireo daholo no nameno saika ny faritra lonaka miendrika volan-tsinana (Croissant Fertile) rehetra, sy ny ampahany lehibe tamin’ny Saikinosin’i Arabia.—Jereo ny lahatsoratra mitondra ny anaran’ny tsirairay amin’ireo zanakalahin’i Sema.
Nandrakotra ny fitanjahan’i Noa rainy i Sema sy Jafeta rahalahiny, satria mamon-divay i Noa ka nitanjaka. Tsy hoe nanaja ray aman-dreny fotsiny izy roa lahy raha nanao izany, fa nanaja an’ilay nampiasain’Andriamanitra mba hiarovana ny ain’izy ireo tamin’ny Safodrano koa. (Ge 9:20-23) Hita tamin’ny tsodrano notononin’i Noa taorian’izay fa tena hahazo sitraka amin’Andriamanitra ny taranak’i Sema sady anisan’ny hanamasina ny anaran’Andriamanitra. Nilaza mantsy i Noa fa “Andriamanitr’i Sema” i Jehovah. (Ge 9:26) Taranak’i Sema avy tamin’i Arpaksada zanany lahy i Abrahama, izay nampanantenaina fa ny Taranany no hahazoan’ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany fitahiana. (1Ta 1:24-27; Ge 12:1-3; 22:15-18) Efa nilaza i Noa fa ho “andevon’i Sema” i Kanana. Tanteraka izany rehefa resin’ny taranak’i Sema ny Kananita, izany hoe rehefa azon’ny Israelita ny tany Kanana.—Ge 9:26.
Mbola velona 500 taona i Sema taorian’ny niterahany an’i Arpaksada, ary maty izy rehefa 600 taona (Ge 11:10, 11), izany hoe 13 taona teo ho eo taorian’ny nahafatesan’i Saraha (1881 T.K.) ary folo taona taorian’ny nanambadian’i Isaka an’i Rebeka (1878 T.K.). Izany no mahatonga ny olona sasany hilaza fa mety ho i Sema ihany no Melkizedeka (midika hoe “Mpanjakan’ny Fahamarinana”), ilay mpisorona sady mpanjaka nomen’i Abrahama ampahafolon-karena. (Ge 14:18-20) Tsy misy porofo manamarina izany anefa ao amin’ny Baiboly. Nohazavain’ny apostoly Paoly koa fa tsy misy tetirazana fantatra momba an’i Melkizedeka, sady tsy fantatra ny daty nahaterahany sy nahafatesany. Amin’izay dia mifanitsy tsara aminy i Kristy Jesosy, izay Mpanjaka sady Mpisorona mandrakizay.—He 7:1-3.
[2-4, 6, 7: Feo Mahafinaritra].
2. Zanakalahin’i Hebrona ary rain’i Rahama. Taranak’i Joda i Sema satria taranak’i Kaleba.—1Ta 2:42-44.
3. Taranak’i Robena.—1Ta 5:3, 8.
4. Lohan’ny fianakaviambe anisan’ny taranak’i Benjamina. Nanorim-ponenana tany Aialona i Sema, ary anisan’ireo nandroaka ny mponina tao Gata izy. (1Ta 8:12, 13) Mety ho izy ihany ilay Simey resahin’ny 1 Tantara 8:21, ary lazaina ao hoe nanana zanakalahy sivy izy.—1Ta 8:19-21.
[5: Avy amin’ny fototeny midika hoe “mandre; mihaino”].
5. Benjamita avy any Gibea, rain’i Ahiezera sy Joasy. Niala tamin’i Saoly ary niandany tamin’i Davida tany Ziklaga i Ahiezera sy Joasy.—1Ta 12:1-3.
6. Anisan’ireo lehilahy nijoro teo ankavanan’i Ezra, tamin’i Ezra namaky ny Lalàna tamin’ny vahoaka tafavory. Mety ho mpisorona i Sema.—Ne 8:4.
7. Tanàna iray tao amin’ny faritra atsimo tamin’ny faritanin’i Joda. (Js 15:21, 26) Mety ho i Sema ihany no Sheba, ilay tanàna kely tao amin’ny faritanin’i Joda ary nomena ny fokon’i Simeona. (Js 19:1, 2) Misy milaza fa i Sema ihany no Jesoa. Misy koa mihevitra an’i Sema ho i Tell es-Saʽveh (Tel Yeshoʽa), any amin’ny 15 km eo ho eo any atsinanana avaratratsinanan’i Beri-sheba.