Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sena

Sena

(Sèna).

Nisy 3000 mahery ny “taranak’i Sena” niaraka tamin’i Zerobabela avy tany an-tsesitany tany Babylona, tamin’ny 537 T.K. (Ezr 2:1, 2, 35; Ne 7:38) Mety ho i Sena ihany no Hasena. Anaran’i Sena nampiana mpanoritra voafaritra hoe ha(s) amin’ny teny hebreo mantsy ny hoe Hasena.​—Ne 3:3.

Toa anaran-toerana fa tsy anaran’olona ny anarana maro ao amin’ny Ezra 2 sy Nehemia 7. Misy àry mihevitra an’i Sena ho toerana eo avaratra kelin’i Jeriko, eo amin’ilay toerana nolazain’i Eusèbe sy Jérôme fa nisy an’ilay tilikambo “Magdalsenna.” (Onomasticon, 154, 16, 17) Misy milaza fa ny tanànan’i Kirbet al Beiyodat (Horvat ʼel-Beidat), 11 km eo ho eo any avaratra avaratratsinanan’i Jeriko, io Sena io.