Sene
(Senè).
“Harambato miendrika nify” tandrifin’i Geba, teo atsimon’ny harambato hafa iray nantsoina hoe Bozeza. Teo anelanelan’ny tanànan’i Mikmasy sy Geba izy ireo, ary hita ao amin’ny fitantarana momba ny nanafihan’i Jonatana ny Filistinina. (1Sa 14:4, 5, 13) Tsy fantatra marina ny tena toerana nisy an’ireo harambato ireo. Maro anefa no mihevitra azy ireo ho ireo hantsana mahitsy be manamorona ny Lohasaha Falehan-driaka Soveinita (Nahal Mikmas), eo anelanelan’i Mikmasy sy Geba.—Jereo BOZEZA.