Senira
(Senìra).
Anarana niantsoan’ny Amorita ny Tendrombohitra Hermona. (De 3:9) Milaza ny 1 Tantara 5:23 hoe: “Senira ary ny Tendrombohitra Hermona.” Mety ho nantsoina hoe Senira koa àry ny ampahany tamin’ny tandavan-tendrombohitra misy an’i Hermona, na Tandavan-tendrombohitra Amana (Anti-Liban). Be hazo zenevrie fanaovana hazo fisaka tany Senira. (Ezk 27:5) Fonenan’ny liona sy ny leopara koa tany. (To 4:8) Misy soratra asyrianina milaza an’i Senira (Sa-ni-ro) ho “tendrombohitra iray mifanatrika amin’i Libanona.”—Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 280; jereo HERMONA.