Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Serafima

Serafima

(Serafìma).

Anjely manodidina ny seza fiandrianan’i Jehovah any an-danitra. (Is 6:2, 6) Amin’ny endriny milaza maro ny teny hebreo hoe serafim, izay avy amin’ilay matoanteny saraf midika hoe ‘mandoro’ na ‘mandrehitra.’ (Le 4:12) Midika ara-bakiteny hoe “izay mirehitra” àry ny hoe serafim. Ilazana zavaboary eto an-tany koa io teny io, na amin’ny endriny milaza maro na milaza tokana (heb.: saraf), ary midika hoe “misy poizina” na “bibilava misy poizina” (“menaran’afo”, Prot.).​—No 21:6, 8.

Hoy i Isaia: “Tamin’ny taona nahafatesan’i Ozia Mpanjaka no nahitako an’i Jehovah nipetraka teo amin’ny seza fiandrianana avo sy manerinerina. Ary nameno ny tempoly ny rebareban’akanjony. Nisy serafima nijoro teo amboniny. Samy nanana elatra enina avy izy ireo, ka ny roa nanaronany ny tarehiny, ny roa nanaronany ny tongony, ary ny roa nanidinany. Ary nanao antso nifamalivaly izy ireo hoe: ‘Masina, masina, masina i Jehovah Tompon’ny tafika! Ahitana taratry ny voninahiny ny zava-drehetra mameno ny tany.’ ... Koa hoy aho: ‘Lozako! Maty aho fa olona maloto molotra, sady mitoetra eo amin’ny vahoaka maloto molotra, nefa izaho nahita an’ilay Mpanjaka, dia i Jehovah Tompon’ny tafika.’ Ary nanidina nankeo amiko ny iray tamin’ireo serafima. Teny an-tanany dia nisy vainafo nalainy teo amin’ny alitara, tamin’ny alalan’ny tandra. Dia nokasihiny ny vavako, sady niteny izy hoe: ‘Efa nikasika ny molotrao ity, ka afaka ny fahadisoanao ary voavela ny fahotanao.’”​—Is 6:1-7.

Tsy noresahin’i Isaia ny mombamomba an’Andriamanitra. Nolazainy kosa fa nameno ny tempoly ny rebareban’akanjony, ka tsy nisy afaka nijoro tao. “Avo sy manerinerina” any an-danitra ny seza fiandrianany, fa tsy etỳ an-tany. “Nijoro” ireo serafima, angamba nikopakopaka elatra mba hihevaheva toa an’ilay rahona ‘nijanona’ teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana tany an-tany efitra. (De 31:15) Hoy i Franz Delitzsch, manam-pahaizana momba ny Baiboly: “Tsy ho teo ambony lohan’Ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana mihitsy ny serafima. Nihevaheva teo ambonin’ny rebareban’ny akanjony nameno an’ilay trano kosa izy ireo.” (Fanazavana ny Testamenta Taloha, 1973, Boky Faha-7, Fizarana 1, p. 191) Ny Vulgate latinina kosa toa te hilaza hoe nijoro teo ambonin’ny seza fiandrianana ny serafima.​—Is 6:1, 2.

Mitana toerana ambony. Anjely mahery mitana toerana ambony be ny serafima, matoa eo akaikin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra. Ny kerobima hitan’i Ezekiela tao amin’ny fahitana kosa toy ny mpihazakazaka miaraka amin’ilay kalesin’Andriamanitra any an-danitra. (Ezk 10:9-13) Misy ambaratongam-pahefana tokoa any an-danitra, araka ny Kolosianina 1:16 izay miresaka ny amin’ny zavatra “any an-danitra sy etỳ an-tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana izany, na fitondrana na fanjakana na fahefana.”

Anjara asa sy andraikitra. Tsy voalaza hoe firy ireo serafima. Mety ho teo amin’ny andaniny roa tamin’ilay seza fiandrianana izy ireo. Nanao hira mifamaly izy ireo hanambarana ny fahamasinan’i Jehovah sy ny voninahiny: Ny serafima iray (na ny antokony iray) namerina an’izay nolazain’ny iray, na namaly ny hiran’ny iray ka nilaza ampahany tamin’ny hoe: “Masina, masina, masina i Jehovah Tompon’ny tafika! Ahitana taratry ny voninahiny ny zava-drehetra mameno ny tany.” (Ampit. De 27:11-26. Namaky ny Lalàna ny Levita, ary namaly azy ireo ny vahoaka.) Nanetry tena teo anatrehan’ilay Fara Tampony ireo serafima, ka nanarona ny tarehiny tamin’ny elany roa. Tao amin’ny toerana masina koa izy ireo ka nanarona ny tongony tamin’ny elany roa hafa, ho fanajana an’ilay Mpanjaka any an-danitra.​—Is 6:2, 3.

Andraikitr’ireo serafima ny manambara ny fahamasinan’Andriamanitra sy manao izay haneken’izao rehetra izao fa be voninahitra Izy. Nokasihin’ny serafima iray tamin’ny vainafo nalainy teo amin’ny alitara ny molotr’i Isaia, mba hanadiovana azy ho afaka tamin’ny fahotany sy ny fahadisoany. Mety ho andraikitry ny serafima koa àry ny manadio ny vahoakan’Andriamanitra ho afaka amin’ny fahotany, miorina amin’ny soron’i Jesosy Kristy natolotra teo amin’ny alitaran’Andriamanitra.​—Is 6:3, 6, 7.

Ny bikabikany tao amin’ny fahitana. Voalaza fa manana tongotra sy elatra izy ireo, ary mitovitovy bika amin’olona. Amin’ny heviny an’ohatra anefa izany, mba hilazana fotsiny ny zavatra hainy sy ny anjara asany. Lazaina koa hoe manana maso sy sofina toy ny an’olombelona Andriamanitra, nefa amin’ny heviny an’ohatra fotsiny izany. Tsy misy olona mahalala ny tena bikabikany, satria hoy ny apostoly Jaona: “Ry malala, zanak’Andriamanitra isika ankehitriny, nefa mbola tsy naseho hoe hanao ahoana moa isika. Izao no fantatsika: Ho tahaka azy isika rehefa haseho izy, satria ho hitantsika hoe manao ahoana izy.”​—1Jn 3:2.