Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Seraia

Seraia

(Seraià) [Niady i Jehovah (Naharitra i Jehovah)].

1. Zanakalahin’i Kenaza avy amin’ny fokon’i Joda. Rahalahin’i Otniela Mpitsara izy ary zana-drahalahin’ilay Kaleba mpitsikilo. Lasa mpanao asa tanana ny taranany avy amin’i Joaba zanany lahy.​—1Ta 4:13, 14.

2. Mpitan-tsoratra tao amin’ny fanjakan’i Davida. (2Sa 8:15, 17) Raha tsy niovaova ny olona nanao an’io asa io, dia izy ihany no Seva (2Sa 20:25), na Saosa (1Ta 18:16), na ilay Sisa nanan-janaka roa lahy izay samy mpitan-tsoratra tao amin’ny fanjakan’i Solomona. (1Mp 4:3) Mitovy ihany ny ankamaroan’ny anaran’ireo mpiasam-panjakana hita ao amin’ireo lisitra telo tamin’ny fanjakan’i Davida.

3. Zanakalahin’i Asiela avy amin’ny fokon’i Simeona. Anisan’ny namely an’ireo Hamita sy Meonita ny taranany, mba hahazoana tanimbilona tamin’ny andron’i Hezekia.​—1Ta 4:24, 35, 38-41.

4. Iray tamin’ireo telo lahy nirahin’i Joiakima hisambotra an’i Jeremia sy Baroka, tamin’ny faramparan’ny taona 624 T.K. Ilay faminaniana momba ny hamelezana an’i Jerosalema sy Joda, izay nasain’i Jeremia nosoratan’i Baroka, no anton’izany. Zanakalahin’i Azriela i Seraia.​—Je 36:9, 26.

5. Mpiandraikitra ny sakafon’ny miaramilan’i Zedekia Mpanjaka. Zanakalahin’i Neria izy, sady rahalahin’i Baroka. (Je 32:12; 51:59) Nankany Babylona i Zedekia tamin’ny taona fahefatra nanjakany (614 T.K.), ary niaraka taminy i Seraia. Nampitondrain’i Jeremia horonana nisy faminaniana momba ny fanamelohana an’i Babylona i Seraia. Nasaina novakiny teo amoron’ny Reniranon’i Eofrata ilay izy, ary avy eo nasaina nafatony tamin’ny vato sy natsipiny tao amin’ilay renirano. Midika izany fa tsy ho tafarina intsony i Babylona. (Je 51:59-64) Azo inoana fa nolazain’i Seraia tamin’ireo Israelita efa tany an-tsesitany ny hevitra sasany tao amin’ilay faminaniana. Mahaliana fa nahita tombo-kase nisy soratra hoe “An’i Seraia (ben) Neria” ireo mpikaroka ny any ambanin’ny tany.​—Gazety Momba ny Fizahana An’i Israely, Jerosalema, 1978, Boky Faha-28, p. 56.

6. Lehiben’ny mpisorona tamin’ny fotoana nandravan’i Babylona an’i Jerosalema, tamin’ny 607 T.K. Nasain’i Nebokadnezara novonoina i Seraia fa i Jozadaka zanany lahy kosa notsimbinina ka nentina babo tany Babylona. (2Mp 25:18-21; Je 52:24-27) Avy tamin’ny taranak’i Jozadaka zanak’i Seraia no nampisy foana an’ireo mpisoronabe taranak’i Arona. I Jesoa zanakalahin’i Jozadaka no mpisoronabe tamin’ny fotoana nanafahana ny Jiosy sy nodiany tany amin’ny taniny. (1Ta 6:14, 15; Ezr 3:2) Antsoina koa hoe rain’i Ezra i Seraia. Misy 139 taona anefa eo anelanelan’ny nahafatesan’i Seraia sy ny niverenan’i Ezra tany an-tanindrazany. Toa nisy taranaka roa be izao, fara fahakeliny, teo anelanelan’izany, nefa tsy nolazaina. Fahita izany ao amin’ireo tetirazana ao amin’ny Baiboly.​—Ezr 7:1.

7. Iray tamin’ireo lehiben’ny tafika tavela tany Joda, rehefa lasa tany an-tsesitany Babylona ny Jiosy. Zanak’i Tanometa izy. Nanaiky an’i Gedalia ho governora i Seraia sy ireo lehiben’ny tafika hafa, sady nampitandrina azy fa nitady hamono azy i Ismaela. Namaly faty izy ireo, tatỳ aoriana, noho ny namonoana an’i Gedalia. Natahotra an’ireo Babylonianina anefa i Seraia sy ireo lehibe hafa, ka nentin’izy ireo nandositra tany Ejipta ny Jiosy sisa tavela.​—2Mp 25:23, 26; Je 40:8, 13-16; 41:11-18; 43:4-7.

8. Iray tamin’ireo mpitarika izay niverina avy tany an-tsesitany niaraka tamin’i Zerobabela tamin’ny 537 T.K. (Ezr 2:1, 2) Antsoina hoe Azaria izy ao amin’ny Nehemia 7:7, izay misy fitanisana mitovy amin’io.

9. Mpisorona niverina avy tany an-tsesitany niaraka tamin’i Zerobabela. Tamin’ilay taranaka tatỳ aoriana, dia i Meraia no nisolo tena ny fianakaviamben-dry Seraia. (Ne 12:1, 12) Mety ho solontenan’io fianakaviana io ihany na mpisorona hafa nitovy anarana koa, ilay Seraia anisan’ireo nanisy tombo-kase ny fifanekena tamin’ny andron’i Ezra sy Nehemia. (Ne 10:1, 2, 8) Rehefa voaorina indray ny manda, dia nipetraka tao Jerosalema i Seraia (izay mety ho anisan’io fianakaviana io ihany, na mpisorona hafa nantsoina koa hoe Seraia).​—Ne 11:1, 10, 11.