Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Serebia

Serebia

(Serebìa) [mety hidika hoe “Nandefa Hafanana Migaingaina i Jah”].

1. Levita mpiandraikitra niara-niverina tamin’i Zerobabela tany Jerosalema (537 T.K.).​—Ne 12:1, 8.

2. Levita taranak’i Maly, ary “lehilahy malina” nasaina niaraka tamin-dry Ezra ho any Jerosalema (468 T.K.). (Ezr 8:17, 18) Mety ho izy ihany ilay “lehiben’ny mpisorona” (Ezr 8:24), izay anisan’ireo nasaina nitondra an’ireo zava-tsarobidy ho an’ny tempoly tany Jerosalema.​—Ezr 8:25-30.

3. Levita nanampy an’i Ezra tamin’izy namaky sy nanazava ny Lalàna tamin’ny vahoaka tafavory tao Jerosalema, rehefa voaorina indray ny manda (455 T.K.). (Ne 8:2, 7, 8) Nivory indray ny Israely tamin’ny faramparan’ilay volana, ary izy no anisan’ny nanolo-kevitra hanao “fianianana” (neken’ny vahoaka) ny tsy hivadika amin’i Jehovah izy. (Ne 9:1, 4, 5, 38) Mety ho izy ihany ilay Levita No. 2 nanisy tombo-kase ny fianianana, na mety ho solontenan’ny fianakaviamben’i Serebia izy ka taranak’ilay No. 1 angamba.​—Ne 10:1, 9, 12; 12:24.