Serfa Kely
[Heb.: yahmor].
Karazana gazela kely. Maherin’ny 60 sm ny haavony hatreo amin’ny hatony, ary 1,2 m eo ho eo ny halavany. Ny lahiny ihany no misy tandroka, izay miala ho azy sy misolo isan-taona. Mivolontsôkôlà somary mena ny serfa kely (Capreolus capreolus) rehefa vanin-taona mafana, ka izany angamba no niantsoan’ny Hebreo azy hoe yahmor, izay heverina fa avy amin’ny fototeny midika hoe “mena.” Tsy dia tia miaraka maro ny serfa kely. Mety ho telo na efatra (lahy sy vavy ary zanany iray na roa) no tazana miara-miraoka ahitra. Tokana ny vadin’ny serfa kely mandritra ny androm-piainany.
Navelan’ny Lalàn’i Mosesy hohanina ny serfa kely satria biby mandinika sady mivaky kitro. (De 14:5, 6) Anisan’ny sakafo naroso isan’andro teo an-databatr’i Solomona Mpanjaka ny henany.—1Mp 4:22, 23.