Sesitany
Fandroahana olona ho any ivelan’ny tanindrazany noho ny didim-panjakana; midika ara-bakiteny hoe “fialana”, amin’ny teny hebreo. Voaozona i Kaina fa namono an’i Abela rahalahiny, ary noroahina tsy ho ao amin’ilay tany ka lasa mpirenireny sy mpandositra. Mpamboly izy nefa tsy hamokatra ny tany hovoleny.—Ge 4:2, 3, 11-14.
Voalaza fa hoentin’i Jehovah any an-tsesitany ny Israely, raha mivadika amin’ilay fifanekena nifanaovany tamin’izy ireo tamin’ny alalan’i Mosesy. (De 28:36, 37, 64; 29:28) Andriamanitra àry ilay Manam-pahefana nandidy hoe hatao sesitany ny vahoakany, na dia nampiasa firenen-kafa aza izy rehefa: 1) Nataon’ny Asyrianina sesitany ny Israely (2Mp 15:29; 18:9-12); 2) natao sesitany tany Babylona ny Joda (2Mp 25:8-11, 21); ary 3) nataon’ny Romanina sesitany ny Jiosy (Lk 21:20-24).
Israely. Nataon’i Tiglato-pilesera III sesitany tany Asyria ny mponin’i Naftaly, ny Robenita, ny Gadita, ary ny antsasaky ny fokon’i Manase tany atsinanana, talohan’ny nifaranan’ny fitondran’i Peka mpanjakan’ny Israely tamin’ny 759 T.K. tany ho any. (2Mp 15:29; 1Ta 5:4-6, 26) Nanao fahirano an’i Samaria i Salmanesera Faha-5 tatỳ aoriana. Nanao sesitany olona maro be izy na i Sargona II mpandimby azy, telo taona taorian’izay (740 T.K.), ary ‘nitondra olona avy any Babylona sy Kota sy Ava sy Hamata ary Sefarvaima. Ary napetrany hisolo ny zanak’Israely tao amin’ireo tanànan’i Samaria [ireny].’—2Mp 17:5, 6, 24.
Joda. Nataon’i Nebokadnezara Mpanjaka sesitany tany Babylona ny ankohonan’ny mpanjaka sy ny olona ambony tao Joda, tamin’ny 617 T.K. (2Mp 24:11-16) Resin’i Babylona i Jerosalema folo taona teo ho eo taorian’izay (607 T.K.). Nentin’i Nebozaradana (lehiben’ny mpiaro ny mpanjaka babylonianina) tany Babylona ny ankamaroan’izay mbola tao Jerosalema sy ireo Jiosy nitsoaka. Ny sisa tamin’ireo ihany no nody rehefa afaka 70 taona.—2Mp 25:11; Je 39:9; Is 10:21, 22; jereo FAHABABOANA.
Maro ny Jiosy tsy nody tany an-tanindrazany rehefa resy i Babylona, ary nihaniparitaka ihany izy ireo. Hoy àry i Hamana tamin’i Ahasoerosy (Ksersesy I mpanjakan’i Persa, izay nifehy faritany 127 hatrany India ka hatrany Etiopia): “Misy vahoaka iray miparitaka any amin’ireo firenena, any amin’ireo faritany manerana ny fanjakanao.”—Es 1:1; 3:8.
Tamin’ny taonjato voalohany. Nisy Jiosy tany Tesalonika, Atena, Korinto, Efesosy, Roma, sy Babylona ary tanàna hafa tamin’izany. (As 17:1, 16, 17; 18:1, 4, 19) Maro no tany Babylona, ary nitory tany i Petera. (1Pe 5:13) Nisy Jiosy “maro be” tany Babylonia tamin’ny taonjato voalohany T.K., hoy i Josèphe. (Rakitry ny Ela Jiosy, XV, 14 [ii, 2]) Noroahin’i Klaodio mpanjaka romanina anefa ny Jiosy rehetra tao Roma tamin’ny taona 49 na teo am-piandohan’ny taona 50 A.K. Anisan’izany ny Jiosy lasa Kristianina, toa an’i Akoila sy Prisila (Priska), izay hitan’i Paoly tany Korinto tamin’ny taona 50 tany ho any, taoriana kelin’ny nivoahan’ilay didy. (As 18:2) Niaraka tamin’i Paoly nankany Efesosy izy mivady nefa efa tao Roma indray, rehefa nanoratra ho an’ny Romanina i Paoly (t. 56) tany Korinto. Efa maty mantsy i Klaodio ary i Néron no nitondra. Maro koa ny Jiosy niverina tany Roma.—As 18:18, 19; Ro 16:3, 7, 11.
Tanteraka ny faminanian’i Jesosy (Lioka 21:24) rehefa voahodidin’ny tafika romanina notarihin’i Titus i Jerosalema tamin’ny taona 70. Feno Jiosy avy tany amin’ny tany maro tao mba hankalaza ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay. Nataon’ny Romanina fahirano ilay tanàna, ary noravany. Jiosy 1 100 000 no maty, ary 97 000 no lasa babo ka niparitaka tany amin’ireo firenena.