Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Seta

Seta

[Voatendry; Napetraka].

Zanakalahin’i Adama sy Eva, tamin’i Adama 130 taona. I Seta no nataon’i Eva anarany, satria hoy izy: “Andriamanitra efa nanome ahy zanaka hafa ho solon’i Abela, satria novonoin’i Kaina izy.” Tsy voatery hoe zanaka fahatelon’i Adama sy Eva i Seta. Milaza mantsy ny Genesisy 5:4 fa niteraka “zazalahy sy zazavavy” i Adama, ka mety ho teraka talohan’i Seta ny sasany tamin’ireo. Miavaka i Seta satria izy, fa tsy i Kaina mpamono olona, no razamben’i Noa, izay niavian’ny taranak’olombelona ankehitriny. Niteraka an’i Enosa i Seta tamin’izy 105 taona. Maty teo amin’ny faha-912 taonany izy (3896-2984 T.K.).​—Ge 4:17, 25, 26; 5:3-8; 1Ta 1:1-4; Lk 3:38.