Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Setara-bozenay

Setara-bozenay

(Setàra-bozènay).

Manam-pahefana, angamba mpitan-tsoratr’i Tatenay governoran’i Persa ‘tany ampitan’ny Renirano’, tamin’ny andron’i Dariosy I (Hystaspe) Mpanjaka. (Ezr 5:3, 6; 6:6, 13) Nanorina indray ny tempoly ny Jiosy, na dia efa noraran’i Artaksersesy aza. Tonga tao Jerosalema àry i Setara-bozenay sy Tatenay ary ny namany, ka nanohitra azy ireo sy nitaraina momba ilay asa. Nanohy ihany anefa ny Jiosy, satria nahazo alalana tamin’i Kyrosy Mpanjaka, hono. Nitatitra ny tenin’izy ireo sy ny zava-nisy tao Jerosalema ry Setara-bozenay, ary nangataka ny hanaovana fikarohana. Neken’i Dariosy tao amin’ny valin-taratasiny, fa namoaka didy tokoa i Kyrosy ka tsy azo ovana izy io. Norarany tsy ‘hanatonatona’ an’i Jerosalema àry ry Setara-bozenay. Avy tao amin’ny trano fitehirizana ny harenam-panjakana koa izy ireo no tokony haka izay nilain’ny Jiosy hanorenana ny tempoly sy hanompoana tao. Nankatò àry ry Setara-bozenay sao ho voasazy mafy.​—Ezr 4:23–6:13.