Setroka
Fifangaroana karbonina sy gazy avy amin’ny zavatra mirehitra ka mahatonga molaly; etona na rahona mitovitovy amin’ny setroka. Manana heviny an’ohatra matetika ny setroka (heb.: ʽashan; gr.: kapnôs) sy ny fisiany, nefa manana heviny ara-bakiteny koa ao amin’ny Baiboly.
Fanatrehan’i Jehovah sy fahatezerany. Nampiasa “setroka”, na afo sy setroka indraindray, i Jehovah mba hampisehoana fa nanatrika teo izy (Ek 19:18; 20:18; Is 4:5), toy ny tao amin’ireo tempoly hitan’i Isaia mpaminany sy ny apostoly Jaona tao amin’ny fahitana.—Is 6:1-6; Ap 15:8; jereo RAHONA.
Toy ny “setroka” teo am-bavoron’Andriamanitra ny Israelita lasa mpanompo sampy, satria nampahatezitra mafy Azy.—Is 65:5.
Fampitandremana na fambara. Nifampita hafatra tamin’ny alalan’ny setroka ireo tanàna na ireo miaramila tao amin’ny tafika iray, rehefa fotoanan’ny ady. (Mpts 20:38-40) Porofo koa ny setroka fa nisy zavatra levon’ny afo, toy ny tanàna iray tazana eny lavitra. (Ge 19:28; Js 8:20, 21) Ilazana tafika iray madiva handravarava koa izy io, satria matetika no nodorana izay tanàna resy.—Is 14:31.
Lasa midika ho fampitandremana sy fambara loza na fandringanana àry ny setroka miakatra. (Ap 9:2-4; ampit. Jl 2:30, 31; As 2:19, 20; Ap 9:17, 18.) Hoy ny mpanao salamo: “Ho levona [ny ratsy fanahy] ka ho lasa setroka.” (Sl 37:20) Porofo koa ny setroka fa ringana na rava ny zavatra iray. (Ap 18:9, 18) Midika fandravana tanteraka sy mandrakizay ilay hoe miakatra “mandritra ny fotoana tsy voafetra” ny setroka, toy ny ao amin’ny faminanian’i Isaia hoe ‘hiakatra mandritra ny fotoana tsy voafetra ny setroka avy amin’i Edoma.’ (Is 34:5, 10) Fongana ny firenen’i Edoma ary lao ny taniny hatramin’izao, araka ny ahariharin’ny Baiboly sy ny tantara. Horavana mandrakizay koa i Babylona Lehibe (Ap 18:8), ary hiharan’ny didim-pitsarana toy izany izay mivavaka amin’ny “bibidia” sy ny sariny.—Ap 14:9-11.
Heviny an’ohatra hafa. Mora manjavona sy levona ny setroka, ka azo ilazana zavatra mihelina. Toy ny setroka ny fahavalon’Andriamanitra (Sl 68:2), ny mpanompo sampy (Ho 13:3), ary ny hafohin’ny androm-piainan’ny ory (Sl 102:3).
Hoy ny Ohabolana 10:26: “Toy ny vinaingitra amin’ny nify sy toy ny setroka amin’ny maso, dia toy izany ny kamo amin’izay maniraka azy.” Mampangirifiry ny maso ny setroka. Toy izany koa fa ho voa mafy izay mampiasa olona kamo.
Sl 119:83) Nahantona tamin’ny rindrina ny siny hoditra (toy ireo fampiasa any atsinanan’ny Ranomasina Mediterane) rehefa tsy nampiasaina, ka mainan’ny setroka sy nikainkona. Lasa toy izany ilay mpanao salamo teo an-tanan’ny mpanenjika azy.
Hoy ny mpanao salamo tamin’izy niandry an’i Jehovah hampionona azy: “Nanjary toy ny siny hoditra azon’ny setroka aho.” (Hoy i Jehovah momba ny voaibe, rehefa niresadresaka mikasika ny zavaboary tamin’i Joba izy: “Misy setroka mivoaka avy amin’ny vavorony, toy ny avy amin’ny fatana narehitra tamin’ny harefo.” (Jb 41:20) Eken’ny manam-pahaizana maro momba ny Baiboly fa ny voaibe tokoa no resahina eo. Toy ny etona matevina mantsy ny fofonaina avy amin’ny vavorony, rehefa avy ao anaty rano izy ka mamoaka rivotra mafy be.
Setroka ho sorona. Katar (heb.) no ilazana ny fanolorana setroka ho sorona, na ny setroky ny emboka manitra izany na ny an’ny fanatitra hafa teo amin’ny alitara. (1Ta 6:49; Je 44:15) Toy ny hanitra mamerovero ny setroka toy izany tamin’Ilay nanolorana azy.—Ge 8:20, 21; Le 26:31; Ef 5:2.