Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Seza Fiandrianana

Seza Fiandrianana

Midika hoe “seza” (1Sa 4:13; 2Mp 4:10) na seza manokana toy ny ‘seza fiandrianana’ (1Mp 22:10) ny teny hebreo hoe kisseʼ. Tsy sezan’ny mpanjaka (1Mp 2:19; Ne 3:7; Es 3:1; Ezk 26:16), na seza misy fiankinana sy fitoeran-tanana fotsiny anefa izy io. Nianjera nankany aoriana avy teo amin’ny kisseʼ na seza tsy nisy fiankinana, ohatra, i Ely teo am-bavahadin’i Silo. (1Sa 4:13, 18) Ilazana seza avo misy tongony sy fiankinana ary fitoerana tanana sy tongotra kosa ny teny grika hoe trônôs.

Toy ny te hilaza ny Isaia 14:9 fa nanana seza fiandrianana daholo ireo mpanjaka. Singanin’ny Baiboly ny seza fiandrianan’i Ejipta (Ge 41:40; Ek 11:5; 12:29), Asyria (Jo 3:6), Babylona (Is 14:4, 13; Da 5:20), Persa (Es 1:2; 5:1), ary Moaba (Mpts 3:17, 20). Toa seza fampiasan’ny mpitondra na ireo niara-nitondra taminy tany amin’ireo tany ireo, afa-tsy tany Moaba, no hitan’ny mpikaroka. Toa seza fiandrianana kananita nisy fitoeran-tongotra ny sary eo amin’ny takelaka ivoara hita tany Megido. Nisy fiankinana sy fitoeran-tanana matetika ny seza fiandrianan’ny tsy Israelita sady noravahana sary sokitra. Toa natao teo amin’ny toerana avoavo ilay seza ary nisy fitoeran-tongotra ny ankamaroany. Hazo nopetahana takela-bolamena ny seza fiandrianana ejipsianina iray, fa vy notefena sy nasiana sary sokitra ivoara kosa ny an’ny Asyrianina iray.

Ny seza fiandrianan’i Solomona ihany amin’ny an’ireo mpanjakan’ny Israely no voaresaka amin’ny an-tsipiriany. (1Mp 10:18-20; 2Ta 9:17-19) Toa tao amin’ny “Lala-mitafon’ny Seza Fiandrianana” teo an-tendrombohitra Moria tany Jerosalema ilay izy. (1Mp 7:7) ‘Seza fiandrianana ivoara lehibe nopetahana takela-bolamena voadio ilay izy, nasiana fitoeran-tanana, ary nisy tafokely boribory nitatao tao aoriany.’ Toa vita tamin’ny hazo ilay seza, na dia betsaka aza ny ivoara natao taminy, rehefa jerena ny fomba nanaovana ny tempoly. Nopetahana takela-bolamena voadio sy noravahana takelaka ivoara ilay izy, ka toy ny hoe vita tamin’ny ivoara sy volamena ny fahitana azy. Nisy zanatohatra enina nankeo aminy, ary nisy “liona iray avy nitsangana teo anilan’ireo fitoeran-tanana. Nisy liona roa ambin’ny folo koa teo amin’ireo zanatohatra enina, ka enina avy no teo amin’ny andaniny roa.” (2Ta 9:17-19) Mety tsara hilazana ny fahefan’ny mpitondra ny liona. (Ge 49:9, 10; Ap 5:5) Toa nifanitsy tamin’ireo foko 12 teo amin’ny Israely nanaiky sy nanohana an’ilay mpanjaka ireo liona 12. Nisy fitoeran-tongotra volamena teo amin’ilay seza fiandrianana. Tsy nanan-tsahala io seza ivoara sy volamena nisy tafokely io, mbamin’ireo liona teo anoloany. Tsy nisy nitovy tamin’io ny seza fiandrianana nampiasaina tamin’izany, na ireo hitan’ny mpikaroka, na ireo natao sary teny amin’ny tsangambato, na ireo noresahin’ny asa soratra. Marina tokoa ilay hoe: “Tsy nisy mihitsy fanjakana nanao seza fiandrianana toy izany.”​—2Ta 9:19.

Heviny an’ohatra. “Seza fiandrianana” no ilazana ny foiben’ny fitondrana (1Mp 2:12; 16:11); ny fahefan’ny mpanjaka sy ny zony hitondra (Ge 41:40; 1Ta 17:14; Sl 89:44); ny fitondram-panjakana na fitantanana ny raharaham-panjakana (2Sa 14:9); ny fifehezan’ny mpitondra ny faritany iray (2Sa 3:10); ary ny toeram-boninahitra (1Sa 2:7, 8; 2Mp 25:28).

Inona ilay “seza fiandrianan’i Jehovah”?

Tsy mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana ara-bakiteny i Jehovah, satria na “ny lanitry ny lanitra” aza tsy omby azy. (1Mp 8:27) Ilazana ny fahefany sy ny zony hanjaka anefa ny seza fiandrianana. Nisy mpanompony nahazo fahitana an’ilay sezany. (1Mp 22:19; Is 6:1; Ezk 1:26-28; Da 7:9; Ap 4:1-3) Efa “hatramin’ny ela be” ny rariny sy ny hitsiny no fototra iorenan’ny seza fiandrianan’i Jehovah sy ny voninahiny na ny heriny. Mpitsara Fara Tampony manao ny rariny sy hitsiny koa izy.​—Sl 89:14; 93:2; 97:2.

Toy ny hoe nanana seza fiandrianana tetỳ an-tany i Jehovah rehefa nifandray tamin’ny zanak’Israely. Nipetraka teo amin’ny “seza fiandrianan’i Jehovah” mantsy ny mpanjakan’ny Israely, satria tokony ho ‘mpanjaka nofidin’i Jehovah Andriamaniny’ izy, nitondra ny vahoakan’i Jehovah tamin’ny anaran’i Jehovah, ary nankatò ny lalàny.​—De 17:14-18; 1Ta 29:23.

Mpanjakan’ny Israely tamin’ny heviny hafa koa i Jehovah, ankoatra ny hoe nisolo tena azy ny mpanjaka taranak’i Joda. Hoy ny Jeremia 17:12: “Efa nasandratra hatrany am-boalohany ilay seza fiandrianana be voninahitra, ary io no toerana masina ho antsika.” ‘Nipetraka teo amin’ny kerobima’ teo amin’ny saron’ilay Vata misy ny tenin’ny vavolombelona (sarony fampihavanana) tao amin’ny toerana masina i Jehovah. (Ek 25:22; 1Sa 4:4) Nisy rahona namoaka hazavana mahagaga (na Shekinah, hoy ny mpanoratra jiosy tatỳ aoriana), hono, teo ambonin’izy io, ho porofo fa nanatrika teo Izy. (Le 16:2) Naminany i Jeremia fa tsy ho eo intsony ny Vata misy ny fifanekena rehefa hody avy any Babylona ny Israely. Mbola hanjaka ao amin’ilay foiben’ny fivavahana marina anefa i Jehovah. Hoy mantsy Izy: “Hantsoina hoe ny seza fiandrianan’i Jehovah i Jerosalema amin’izany andro izany.” (Je 3:16, 17) Tsy nisy an’ilay Vata koa ny tempolin’i Jehovah hitan’i Ezekiela tao amin’ny fahitana, tamin’izy naminany hoe hody ny Israely. Nilazana anefa izy hoe: “Ry zanak’olona, ity [tempoly ity] no toerana misy ny seza fiandrianako.”​—Ezk 43:7.

Nanao fifanekena tamin’i Davida i Jehovah hoe “haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra” ny seza fiandrianan’ny taranany. (1Ta 17:11-14) Hoy ny anjely Gabriela tamin’i Maria momba ny fahatanterahan’izany: “I Jehovah Andriamanitra hanome [an’i Jesosy] ny seza fiandrianan’i Davida rainy. Ary ho mpanjaka eo amin’ny taranak’i Jakoba mandrakizay izy, ary tsy hifarana mihitsy ny fanjakany.” (Lk 1:32, 33) Tsy hoe hanjaka amin’ny tany fotsiny i Jesosy, fa hanjaka eo amin’izao rehetra izao koa, toa an’i Jehovah. (Ap 3:21; Is 66:1) I Jesosy kosa nampanantena fa hiara-manjaka aminy izay rehetra tafiditra ao amin’ny fifanekena vaovao, toa an’ireo apostoliny tsy nivadika, sy izay handresy an’ity tontolo ity toa azy koa. Hipetraka eo amin’ny seza fiandrianana miaraka amin’i Jesosy àry izy ireo.​—Mt 19:28; Lk 22:20, 28-30; Ap 3:21.

Naminany i Zakaria fa “ho mpisorona mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana” ilay lehilahy antsoina hoe “Tsimoka”, izay hanorina ny tempolin’i Jehovah. Hoy tokoa i Paoly momba an’i Jesosy: “Mpisoronabe [toa an’i Melkizedeka mpanjaka sady mpisorona] no ananantsika, ary mipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’ny Lehibe any an-danitra izy.” (Za 6:11-13; He 8:1) Hitan’i Jaona tao amin’ny fahitana i Kristy Jesosy sy ireo mpanjaka sy mpisorona hiara-manjaka aminy arivo taona. Ireo Kristianina tsy mivadika ireo no trano ara-panahy na toerana masin’Andriamanitra.​—Ap 20:4, 6; 1Pe 2:5.

I Jehovah no nanome an’i Jesosy ny seza fiandrianany na ny fahefana hanjaka, araka ny Salamo 45:6 izay naverin’i Paoly hoe: “Andriamanitra no seza fiandriananao mandrakizay.” (He 1:8) Omen’ny Devoly fahefana hanjaka koa ny fandaminany, satria “nomen’ilay dragona hery sy seza fiandrianana ary fahefana lehibe ilay bibidia” “niakatra avy tao amin’ny ranomasina.” (Ap 13:1, 2) Notoloran’i Satana hery sy fahefana i Jesosy Kristy, kanefa nitakiany hoe: “Raha miankohoka indray mandeha eto anatrehako ianao, dia ho anao manontolo izany.” (Lk 4:5-7) Tsy maintsy manompo an’i Satana àry ilay “bibidia” vao omeny seza fiandrianana na fahefana.

Nampiasaina tamin’ny famoronana “fiandrianana” i Jesosy, ilay Mpiasa Tena Mahay. Toa ilazana ny fahefan’ireo zavaboary hita maso sy tsy hita maso ao amin’ny fitantanan-draharaha nalamin’Andriamanitra io teny io.​—Kl 1:16.