Sheba
(Shèba).
1. Zanakalahin’i Rama, zanak’i Kosy. Ny anarany no voatonona voalohany amin’ireo zanak’i Rama.—Ge 10:7; 1Ta 1:9.
2. Zanakalahin’i Joktana, taranak’i Sema (Ge 10:21-30; 1Ta 1:17-23); razamben’ny foko iray anisan’ireo foko arabo 13 voalazan’ny Baiboly. Mety ho avy amin’io foko mpifindrafindra monina io ireo “Sabeanina” tonga nanafika tampoka, resahin’ny Joba 1:14, 15.
3. Iray amin’ireo roa lahy zanak’i Joksana, zanak’i Abrahama sy Ketora. (Ge 25:1-3; 1Ta 1:32) Nasain’i Abrahama nankany “amin’ny tany Atsinanana” ny zanany naterak’i Ketora, fony fahavelony. (Ge 25:6) Toa nanorim-ponenana tany Arabia àry io Sheba io.
4. Zanak’i Bikry Benjaminita izay namoy ny ainy nandritra ny fikomiana tamin’i Davida. (2Sa 20:1, 2) Tsikaritr’i Sheba, “lehilahy tsy manjary”, fa tezitra tamin’ny fokon’i Joda (foko niavian’i Davida) ireo foko folo rehefa niverina tany Jerosalema i Davida, taorian’ny fikomian’i Absaloma. (2Sa 19:40-43) Vao mainka nandrisika azy ireo hikomy i Sheba, rehefa nilaza fa “tsy manana anjara amin’ i Davida” izy ireo. Nampirisika koa izy hoe: “Samia mankany amin’ny andriamaniny avy!” Tsy nivadika tamin’ny mpanjaka anefa ny fokon’i Joda, fa “ny lehilahy israelita rehetra” kosa lasa nanaraka an’i Sheba. Ny hampahalaza ny fokon’i Benjamina toy ny tamin’ny andron’i Saoly Mpanjaka angamba no anton’ilay fikomiana.
Nasain’i Davida novorin’i Amasa mpitari-tafiny tao anatin’ny telo andro àry ny lehilahy anisan’ny fokon’i Joda, mba hampitsaharana ny fikomian’i Sheba. Tsy tonga tamin’ilay fotoana nifanarahana anefa i Amasa, ka i Abisay indray no nirahin’ny mpanjaka hanenjika an’i Sheba (toa i Joaba, rahalahin’i Abisay, anefa no tena nanenjika azy). Nandositra nianavaratra hatrany Abela-beti-maka, tanàna voaro mafy tany Naftaly, i Sheba sy ireo havany nanohana azy. Nataon’ireo mpanenjika fahirano àry ilay tanàna, ary noloahany ny fototry ny manda. Tamin’izay no nangataka fihavanana tamin’i Joaba ny vehivavy hendry iray tao an-tanàna. Nilaza taminy i Joaba fa handeha izy sy ny tafiny, raha atolotr’izy ireo azy i Sheba mpikomy. Notapahin’ny olona tao an-tanàna àry ny lohan’i Sheba ary natsipiny teny amin’i Joaba, avy teny amin’ny mandan’ilay tanàna.—2Sa 20:1-8, 13-22.
5. Gadita nipetraka tany Basana, taranak’i Abihaila.—1Ta 5:11, 13, 14.
6. Fanjakana nanan-karena, angamba tany amin’ny faritra atsimoandrefan’i Arabia. Volamena sy zava-manitra ary emboka manitra no tena nampahalaza azy. (1Mp 10:1, 2; Is 60:6; Je 6:20; Ezk 27:22) Tsy fantatra hoe iza marina no razamben’ireo mponin’i Sheba, na Sabeanina (anarana iantsoana azy ireo matetika ao amin’ny tantara). Roa ny olona nanana anarana hoe Sheba tamin’ny taranak’i Sema (SHEBA No. 2 sy 3), izay azo inoana fa nanorim-ponenana tany Arabia. Misy manam-pahaizana anefa milaza fa taranak’i Sema avy tamin’i Joktana, zanak’i Ebera, ny mponina tao amin’ilay fanjakan’i Sheba. (Ge 10:26-28) Hita ao amin’ireo anaran-tanàna any amin’ny faritra atsimon’i Arabia mantsy ny anaran’i Sheba sy ny an’ireo rahalahiny sasany.—Jereo HAVILA No. 4; HAZARMAVETA.
Misy boky milaza fa ao amin’ny Repoblikan’i Yémen ankehitriny no nisy ny fanjakan’i Sheba. Toa i Mariba, 100 km eo ho eo atsinanan’i Sanʽa, no renivohiny.
Ny rameva no tena nampiasaina nanerana an’i Arabia, rehefa nifampiraharaha ara-barotra i Inde sy ny faritra atsimon’i Arabia ary ny faritra atsinanan’i Afrika. Mbola nampidi-doza mantsy tamin’izany ny nandeha sambo teo amin’ny Ranomasina Mena. I Sheba no nifehy an’ireo lalana fivezivezen’ireo mpivaro-mandeha, ka lasa nampahalaza azy ny varotra ditin-kazo manitra, miora, volamena, vatosoa, ary ivoara. Milaza ny Baiboly fa tonga hatrany Tyro ireo mpivarotra avy any Sheba. (Ezk 27:2, 22-24; Sl 72:15; Is 60:6) Nisy fitomboka vita tamin’ny tanimanga nofongarina tao Betela. Hamarinin’izy io fa nifanao raharaham-barotra tokoa i Palestina sy ny faritra atsimon’i Arabia. Hita tamin’ireo zavatra nofongarina tao Mariba koa fa vahoaka tsy dia tia ady ny Sabeanina, sady mpanao raharaham-barotra. Nisy tempoly lehibe nivavahana tamin’ny andriamanitra volana tao amin’ny renivohiny.
Mpanjakavavin’i Sheba. Rehefa avy nanorina zavatra maro i Solomona, dia tonga nitsidika azy “ny mpanjakavavin’i Sheba.” “Lasa nalaza [mantsy] i Solomona noho ny anaran’i Jehovah.” Tsy resahin’ny Baiboly hoe iza no anaran’io mpanjakavavy io, izay tonga tany Jerosalema niaraka tamin’ny “mpanotrona maro be, narahin’ny rameva nitondra menaka balsama sy volamena be dia be ary vatosoa.” (1Mp 10:1, 2) Hita avy amin’izany àry fa avy any amin’ny fanjakan’i Sheba, tany amin’ny faritra atsimoandrefan’i Arabia, izy. Manaporofo izany koa ny tenin’i Jesosy, izay niantso azy hoe ‘mpanjakavavin’ny atsimo avy any amin’ny faran’ny tany.’ (Mt 12:42) Tena avy lavitra tokoa izy, raha ho an’olona iray nipetraka tany Jerosalema. (Sl 72:10; Jl 3:8) Any amin’ny 1900 km eo ho eo avy eo Eziona-gebera, eo amin’ny morony avaratry ny Ranomasina Mena, mantsy no misy an’i Mariba.
Nilaza i Jesosy fa tonga “mba hihaino ny fahendren’i Solomona” ny mpanjakavavin’i Sheba. (Lk 11:31) Tena nampiaiky volana an’ilay mpanjakavavy ny tenin’i Solomona sy ny harenan’ny fanjakany ary ny fahaizany nandamina ny mpanompony. Nilaza izy fa sambatra ny mpanompon’ilay mpanjaka mandre ny fahendreny. Nisaotra an’i Jehovah koa izy noho Izy nanendry an’i Solomona ho mpanjaka. (1Mp 10:2-9; 2Ta 9:1-9) Nomeny talenta volamena 120 (46 242 000 dolara) sy menaka balsama ary vatosoa i Solomona. Nomen’i Solomona fanomezana be dia be koa izy, toa mihoatra noho izay nentiny ho azy mihitsy aza. Nody tany amin’ny taniny ravehivavy avy eo.—2Ta 9:12, Kat., DIEM.
Nilaza i Kristy fa hatsangana mandritra ny fitsarana ilay mpanjakavavy, ka hanameloka an’ilay taranaka velona tamin’ny taonjato voalohany. (Mt 12:42; Lk 11:31) Nanao dia lavitra mantsy izy mba hihainoana ny fahendren’i Solomona. Ireo Jiosy nihambo ho mpanompon’i Jehovah kosa anefa tsy mba nihaino an’i Jesosy, izay lehibe noho i Solomona.
7. Mety ho tanàna iray nomena ny fokon’i Simeona, tao amin’ny faritra atsimon’ny tanin’ny Js 19:2) Tsy hita ao amin’ny 1 Tantara 4:28-32 sy ny tantara hafa momba ireo tanàna nomena an’i Joda anefa ny hoe Sheba. (Js 15:26) Milaza ny Josoa 19:2-6 fa 13 ireo tanàna nomena azy, nefa 14 no tena voatanisa eo. Misy manam-pahaizana àry milaza fa nety ho tapany roa samy hafa tamin’ny tanàna iray ihany i Sheba sy Beri-sheba, ka i Sheba no efa nisy taloha. Raha toeran-kafa kosa ilay Sheba, dia mety ho izy ilay Sema ao amin’ny Josoa 15:26-32.
fokon’i Joda. (