Shiba
(Shìba) [Fianianana; na Fito].
Lavadrano iray nohadin’ny mpanompon’i Isaka (na nohadiny indray), tao Beri-sheba. (Ge 26:32, 33; ampit. 26:18.) Nantsoin’i Isaka hoe “Shiba” (fianianana natao tamin-javatra fito) io lavadrano io, satria taorian’ilay fifanekem-pihavanana tamin’i Abimeleka mpanjakan’i Gerara ireo mpanompon’i Isaka no nilaza fa nahita rano. (Ge 26:26-33) Efa nanao fifanekena koa i Abrahama sy Abimeleka mpanjaka filistinina (mety ho ilay Abimeleka etsy aloha, na mpanjaka filistinina hafa mitovy anarana na anaram-boninahitra aminy). Nanaiky handray ondrivavy kely fito avy tamin’i Abrahama i Abimeleka, mba ho porofo fa i Abrahama no tompon’ilay lavadrano nampisy fifandirana. Io lavadrano io ihany angamba ilay nantsoin’i Isaka tatỳ aoriana hoe “Shiba.” Endriny hafa amin’ny hoe Sheba ny hoe “Shiba.” Toa tian’i Isaka hotazonina ihany àry ny hoe “Beri-sheba”, anarana niantsoan’i Abrahama ny toerana nisy an’ilay lavadrano.—Ge 21:22-32; jereo BERI-SHEBA.