Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sibekay

Sibekay

(Sibekày).

Hosatita anisan’ny lehilahy maherin’i Davida. (1Ta 11:26, 29) Nandritra ny ady tamin’ny Filistinina tao Goba dia izy no nahafaty an’i Safa (Sipay), iray tamin’ireo Refaima goavam-be, ka resy ny fahavalo. (2Sa 21:18; 1Ta 20:4) Izy koa no nasaina niandraikitra ny antoko-miaramila faha-8, rehefa nalamin’i Davida ireo antoko-miaramila nifandimby isam-bolana tao amin’ny tafika. (1Ta 27:1, 11) Toa izy ihany ilay antsoin’ny 2 Samoela 23:27 hoe Mebonay.