Sibma
(Sibmà).
Tanàna tany atsinanan’ny Reniranon’i Jordana. Nalain’ny Israely teo an-tanan’i Sihona mpanjakan’ny Amorita izy io, ary nomena ny Robenita, izay tia an’ilay tanàna noho ireo tanimbilona nanodidina. Toa i Sibma ihany no Sebama. (No 32:2-5, 37, 38; Js 13:15, 19, 21) Tanànan’ny Moabita izy io tany am-boalohany (ampit. No 21:25, 26) ary lasan’izy ireo indray tatỳ aoriana, tamin’ny fotoana tsy fantatra. Nampahalaza azy ny tanimboaloboka sy ny voankazo masaka fahavaratra. (Is 16:8, 9, 13, 14; Je 48:32, 46, 47) Tsy fantatra izay tena nisy an’i Sibma (Sebama), na dia tanisaina miaraka amin’i Hesbona sy Nebo aza izy io. (No 32:3) Milaza i Jérôme, ao amin’ny fanazavany hevi-teny ao amin’ny Isaia 16:8, fa in-500 mandingana monja avy eo Hesbona no misy azy io. Misy anefa milaza azy io ho i Korn el-Kibsh, tokotokony ho 5 km any andrefana atsimoandrefan’i Hesbona (Hisbana ankehitriny).