Sidona
(Sidôna), Sidonianina (Sidôniànina).
Lahimatoan’i Kanana i Sidona, ary razamben’ny Sidonianina. Natao mitovy anarana aminy koa ny tanànan’i Sidona, izay nisy seranan-tsambo. Izy io no tanàna lehibe indrindran’ny Fenisianina (fiantsoan’ny Grika ny Sidonianina) nandritra ny taona maro. Saida no anaran’ilay tanàna ankehitriny.
Nisy Sidonianina nanorina tanàna tany amin’ny 35 km teo ho eo tany atsimon’i Sidona. Nantsoiny hoe Tyro ilay izy. Lasa nalaza kokoa noho i Sidona i Tyro, nefa tsy hadinon’ny mponina tao fa avy any Sidona izy ireo. Nantsoina hoe “mpanjakan’ny Sidonianina” indraindray ny mpanjakan’i Tyro. (1Mp ) Miara-voatonona matetika ao amin’ny faminaniana koa i Tyro sy Sidona. ( 16:31Je 25:22; 27:3; 47:4; Jl 3:4; Za 9:2) Teo anelanelan’ireo tanàna roa ireo no nisy an’i Zarefata “any Sidona.” Vehivavy mpitondratena iray tao no nanome sakafo an’i Elia, nandritra ny mosary naharitra elaela.—1Mp 17:9; Lk 4:25, 26.
I Sidona no sisin-tanin’i Kanana tany avaratra, tany am-boalohany. (Ge 10:19) Resin’i Josoa ireo mpanjaka kananita tany avaratra, ary nenjehiny hatrany “Sidona izay be mponina.” Nozaraina tamin’ny foko israelita sivy sy sasany mbola tsy nahazo ny anjara lovany i Kanana taorian’izay. Mbola tsy azo anefa ilay tany nofehezin’i Sidona. (Js 11:8; 13:2, 6, 7; No 32:33) Nomena an’i Asera ny lemaka amoron-tsiraka atsimo kelin’i Sidona. “Tandrifin’i Sidona” kosa ny ‘sisin-tanin’i Zebolona farany lavitra’, araka ny faminaniana. Tany amin’ny faritra avaratry ny Tany Nampanantenaina tokoa ilay sisin-tany. (Js 19:24, 28; Ge 49:13) Tsy nandroaka ny Sidonianina tao amin’ilay faritany nomen’Andriamanitra azy anefa ny Aserita, fa naleony niara-nonina taminy. (Mpts 1:31, 32; 3:1, 3) Toa nofehezin’i Sidona i Laisy. Nalain’ny fokon’i Dana anefa izy io ka novany hoe Dana ny anarany, tamin’ny andron’ny Mpitsara. Toa mora tamin’ilay foko ny naka ilay tanàna, satria ‘nandry feizay sy tsy nanana ahiahy’ ny mponina tao ka tsy nanampo ny hotafihina. (Mpts 18:7, 27-29) Tonga hatrany Sidona ireo nirahina hanisa vahoaka, tamin’ny andron’i Davida.—2Sa 24:6.
Roa tamin’ireo seranan-tsambo vitsivitsy tany Fenisia no tao Sidona. Lasa foibe ara-barotra àry ilay tanàna, ka tao no ambohipihaonan’ireo mpivaro-mandeha. Natakalony an’ireo entam-barotra nentin’ny sambo mpivezivezy eran’i Mediterane ny entam-barony. Nisy mpivarotra mpanefohefo, tantsambo za-draharaha, ary mpivoy mafy toto ny Sidonianina. (Is 23:2; ampit. Ezk 27:8, 9.) Nalaza ho nahay nanao fitaratra sy vera isan-karazany sy nanenona ary nandoko lamba izy ireo. Nahay nitrandraka ala sy nikapa hazo koa izy ireo.—1Mp 5:6; 1Ta 22:4; Ezr 3:7.
Ny fivavahany sy ny voka-dratsin’izy io. Ratsy fitondran-tena ny Sidonianina rehefa nanao fombafombam-pivavahana. Nanaram-po tamin’ny firaisana mantsy izy ireo rehefa nivavaka tamin’i Astarta andriamanibavy. Voatarika hanompo ny andriamanitr’izy ireo ny Israelita, rehefa namela azy ireo hiara-monina taminy. (Mpts 10:6, 7, 11-13) Nanambady vehivavy sidonianina i Solomona, ka voatarika hanaraka an’i Astarta andriamanibavin’ny fahavokarana. (1Mp 11:1, 4-6; 2Mp 23:13) Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah koa i Ahaba Mpanjaka, satria nanambady an’i Jezebela, zanakavavin’ny mpanjaka sidonianina. I Jezebela kosa nafana fo erỳ nampiely ny fanompoan-tsampy tany Israely.—1Mp 16:29-33; 18:18, 19.
Nisotro tamin’ny kaopin’ny fahatezeran’i Jehovah ny Sidonianina: Nandre ny fanamelohan’ireo mpaminany aloha izy ireo, ary naringan’ny Babylonianina sy ny firenen-kafa tatỳ aoriana. (Is 23:4, 12; Je 25:17, 22; 27:1-8; 47:4; Ezk 28:20-24; 32:30; Jl 3:4-8; Za 9:1-4) Resahin’ny tantara fa nifandimby nifehy an’i Sidona i Babylona sy Persa sy Gresy ary Roma.
Tamin’ny taonjato voalohany. Nanompo sampy ny Sidonianina, nefa tsy hoatran’ny an’ny Israely nivadika ny heloka vitany. Nilaza àry i Jesosy fa ho mora kokoa ny hanjo ny mponin’i Sidona amin’ny Andro Fitsarana, noho ny hanjo ireo Jiosy tany Korazina sy Betsaida izay nanda an’i Jesosy tsy ho Mesia. (Mt 11:20-22; Lk 10:13, 14) Naneho finoana an’i Jesosy ny vehivavy fenisianina iray, tamin’izy tany amin’ny faritr’i Sidona. (Mt 15:21-28; Mr 7:24-31) Jiosy na olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy kosa ireo olona “maro be” nositranin’i Jesosy talohan’izay, ary nisy avy any amin’ny manodidina an’i Tyro sy Sidona izy ireo. (Mr 3:7, 8; Lk 6:17) Voafonja i Paoly tamin’izy nentina voalohany ho any Roma. Navela hitsidika an’ireo rahalahy tao Sidona anefa izy.—As 27:1, 3.
“Tezitra” tamin’ny Sidonianina i Heroda Agripa I, saingy tsy voalaza ny antony. Io mpanjaka io As 12:20-23.
anefa no namatsy hanina azy ireo, ka tonga namitram-pihavanana taminy izy ireo. Tamin’izay ny Sidonianina no nihoby azy ka niantsoantso mafy hoe: “Feon’andriamanitra izany, fa tsy feon’olona!” Namely azy avy hatrany anefa ny anjelin’i Jehovah, ka lanin’ny kankana izy.—