Sifra
(Sìfra) [Mahafinaritra; Mangirana; Mihaja].
Sepfora no ao amin’ny Eksodosy 1:15 sy 2:21 ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Ao amin’ny soratra nataon’ny Masoreta kosa, dia Sifra no ao amin’ny Eksodosy 1:15, ary Zipora no ao amin’ny Eksodosy 2:21. Safira io anarana io amin’ny teny aramianina.
Iray tamin’ireo Hebreo mpampivelona i Sifra. Nasain’i Farao namono ny zazalahikely hebreo rehetra izy sy Poha, raha vao teraka izy ireny. Natahotra an’Andriamanitra anefa i Sifra. Fantany koa fa masina ny aina ary nanaja izany izy. (Ge 9:6) Navelany ho velona àry ireo zazalahy, ka notahin’i Jehovah izy ary nomeny ankohonana.—Ek 1:15-21; jereo MPAMPIVELONA.