Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sihona

Sihona

(Sihôna).

Mpanjakan’ny Amorita, taloha kelin’ny hidiran’ny Israely tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Hatrany amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Jaboka (nifanila tamin’ny fanjakan’i Oga Mpanjaka) ka hatrany amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Arnona ny fanjakany, ary hatreo amin’ny Reniranon’i Jordana no niantsinanana nankany amin’ny tany efitra. I Hesbona teo atsinanan’ny farany avaratry ny Ranomasina Maty, no renivohiny. (No 21:23, 24; Js 12:2, 3) Nalain’i Sihona ny tany Moaba teo avaratr’i Arnona. Toa nofeheziny koa ny Midianina, matoa nantsoina hoe “andrianan’i Sihona” ny mpiadidy teo amin’ny Midianina. (No 21:26-30; Js 13:21) Nangata-dalana tamin’i Sihona ny Israely mba havelany handeha amin’ny lalan’ny mpanjaka ao amin’ny taniny. Nampanantena koa izy ireo fa tsy haka na inona na inona amin’ny Amorita. Tsy nety anefa i Sihona fa vao mainka nanangona ny tafiny mba hisakana ny Israely. Resy tao Jahaza izy ary novonoina ho faty.​—No 21:21-24; De 1:3, 4; 2:24-35; 3:2, 6.

Tena zava-dehibe iny fandresen’ny Israely an’i Sihona iny, matoa naverimberina tao amin’ny tantaran’ny Israelita, toy ilay faharesen’ny Ejipsianina teo amin’ny Ranomasina Mena ihany. Nitantara azy iny i Mosesy sy Jefta sy ny mpanao salamo ary ny Levita taorian’ny sesitany, mba hampaherezana ny Israelita hoe vitan’i Jehovah ny mandresy ny fahavalon’ny mpanompony tsy mivadika. (No 21:34; De 31:4; Mpts 11:19-22; Ne 9:5, 22; Sl 135:9-12; 136:18, 19) Nandre momba azy iny koa i Rahaba sy ny Gibeonita, ka naniry hihavana tamin’ny Israely. (Js 2:10; 9:9, 10) Nozaraina tamin’ny fokon’i Robena sy Gada ny tanin’i Sihona.​—No 21:25, 31, 32; De 29:7, 8; Js 13:8-10, 15-28.