Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sikidy

Sikidy

Izay fomba rehetra hahalalana zava-miafina, indrindra fa ny hoavy, amin’ny fampiasana herin’ny maizina. (Jereo FILALAOVANA ODY.) Manazava ny lafiny samihafa amin’izy io ny lahatsoratra hoe HERIN’NY MAIZINA; MPANANDRO; MPILA HEVITRA AMIN’NY MATY; MPILAZA NY HOAVY.

Mino ny mpisikidy fa ampian’ireo andriamanitra hahalala ny hoavy ny olona nampiofanina hijery sy hanazava famantarana na fambara, toy ny zavatra eny amin’ny lanitra (kintana sy planeta ary ny fihetsehan’izy ireny, fanakona-masoandro sy fanakonam-bolana, tainkintana), ny herin’ny natiora (rivotra, oram-baratra, afo), ny ataon’ny biby (alika mitomany valala, vorona manidina, bibilava mihetsiketsika), ny endriky ny ravina dite anaty kaopy, ny endriky ny menaka ambony rano, ny toerana ilatsahan’ny zana-tsipìka nitifirana, ny endriky ny taovan’ireo biby atao sorona (aty, havokavoka, tsinay), ny soritra amin’ny felatanana, ny fanaovana antsapaka, ary ny “fanahin’ireo” maty.

Misy karazany maro ny fanaovana sikidy. Fanaon’ny Romanina, ohatra, ny nitady fambara na nitsapa vintana. Misy koa mandinika ny soritra amin’ny felatanana mba hilazana ny hoavy, mijery atin-kena na tsinay, mandahatra voan-tsaramaso na voan-kily, mijery karatra, manazava ny hevitry ny nofy, ary manontany amin’ny maty. Ao koa ireo olona tsindrian-javatra na mijery baolina kristaly.

Ny niandohany. Tany Babylonia any Kaldea no niandohan’ny fanaovana sikidy. Niely eran-tany izy io, rehefa nifindrafindra monina ny olona. (Ge 11:8, 9) Miresaka fambara, hono, ny ampahefatr’ireo takelaka nofongarin’ny mpikaroka tao amin’ny efitra lehibe iray fitehirizan’i Asorobanipala takelaka tanimanga. Nohazavain’ireo takelaka ny dikan’ireo trangan-javatra tsy nahazatra hita teny amin’ny lanitra sy tetỳ an-tany, sy ny dikan’ireo voina na zavatra tsy nampoizina nitranga andavanandro. Nanao sikidy koa i Nebokadnezara Mpanjaka vao nanapa-kevitra ny hanafika an’i Jerosalema. Hoy ny Baiboly: “Nahontsankontsany ireo zana-tsipìka. Nanontany tamin’ny alalan’ny terafima izy. Ary nodinihiny ny atin-kena. Nasehon’ny sikidy teny an-tanany ankavanana fa i Jerosalema no tokony hotafihiny.”​—Ezk 21:21, 22.

Nojerena ny atin-kena rehefa nitady fambara, satria izy io, hono, no foiben’ny hery sy ny fihetseham-po ary ny fitiavana. Mikoriana ao amin’ny aty ny ampahenin’ny ran’olona. Famantarana na fambara avy amin’ireo andriamanitra, hono, ny endrika samihafa amin’ireo fizarana na soritsoritra na fantsona na mpamerin-dra amin’ilay atin-kena. (Jereo MPANANDRO.) Nisy takelaka tanimanga maro be miendrika atin-kena hitan’ny mpikaroka. Misy fambara sy soratra miendri-pantsika fampiasan’ny mpisikidy izy ireny, ary tany Babylona ny tranainy indrindra taminy. (SARY, Boky Faha-2, p. 324) Nantsoina hoe baro, midika hoe “mpandinika” na “ilay mahita”, ny mpisorona asyrianina fahiny, satria mpandinika atin-kena koa izy ireo.

Voararan’ny Baiboly. Mifanipaka be ny Baiboly Masina sy ny sikidy. Imbetsaka i Jehovah no nampitandrina ny Israelita mba tsy hanao asan’ny maizina, izay fanaon’ny firenen-kafa. Hoy izy: “Aoka tsy hisy eo aminao ny olona mandoro ny zanany lahy na ny zanany vavy ao anaty afo, na manao sikidy, na mampiasa herin’ny maizina, na mitady fambara, na mpilalao ody, na mpilaza ozona famosaviana, na olona mankany amin’ny mpamoha angatra na mankany amin’ny mpilaza ny hoavy, na olona manontany amin’ny maty. Maharikoriko an’i Jehovah mantsy izay rehetra manao ireo zavatra ireo. Ary noho ireo zava-maharikoriko ireo no androahan’i Jehovah Andriamanitrao an’ireny olona ireny tsy ho eo anatrehanao.” (De 18:9-12; Le 19:26, 31) Mbola nomelohina ihany ireo mpisikidy, na dia tanteraka aza ny famantarana sy fambara nolazainy. (De 13:1-5; Je 23:32; Za 10:2) Tena halan’i Jehovah izy ireny, matoa izy nandidy ny hamonoana azy ireny ho faty.​—Ek 22:18; Le 20:27.

Mbola tsy niraharaha ny tenin’i Jehovah ihany anefa ireo mpivadi-pinoana, na olon-tsotra toa an’ilay vehivavy tany En-dora izany, na mpanjaka mahery toa an-dry Saoly sy Manase ary Jezebela vadin’ny mpanjaka. (1Sa 28:7, 8; 2Mp 9:22; 21:1-6; 2Ta 33:1-6) Noravana toa an’i Israely rahavaviny àry i Joda tatỳ aoriana, na dia efa nesorin’i Josia mpanjaka tsara fanahy tsy ho ao amin’ilay tany aza ny mpisikidy. (2Mp 17:12-18; 23:24-27) Tsara fanahy sy be fitiavana anefa i Jehovah, ka nirahiny ny mpaminany hilaza amin’ny mponina tany mba hiala amin’ireo fanao maharikoriko, talohan’ny handravana azy. Nirahiny koa izy ireny hampitandrina an’i Babylona, ilay foiben’ny fanaovana sikidy.​—Is 3:1-3; 8:19, 20; 44:24, 25; 47:9-15; Je 14:14; 27:9; 29:8; Ezk 13:6-9, 23; Mi 3:6-12; Za 10:2.

Maro koa ny mpisikidy tamin’ny andron’ny apostoly. Nisy mpilalao ody atao hoe Barjesosy, ohatra, tany amin’ny nosy Sipra. Nanakantsakana ny fitorian’ny apostoly Paoly izy io, ka lasa jamba. Navoakan’i Paoly koa ny demonia mpilaza ny hoavy tao amin’ny ankizivavy iray nanelingelina azy, tany Makedonia. Sosotra ny tompon’ilay ankizivavy, satria ny fahaizan’izy io naminany no nahazoan’izy ireo tombony be. (As 13:6-11; 16:16-19) Nisy ihany anefa ireo nanaiky hiala tamin’ny asan’ny maizina, toa an’i Simona avy Samaria. Maro tamin’ireo zatra nampiasa ny herin’ny maizina tany Efesosy koa no nandoro ny bokiny, ka nahatratra farantsa volafotsy 50 000 (na 37 200 dolara, raha denaria ilay farantsa) ny tokom-bidiny.​—As 8:9-13; 19:19.

Voajanahary amin’ny olona ny te hahalala ny hoavy. Afa-po àry izay mivavaka sy manompo an’ilay Mpamorona Be voninahitra, satria ampahafantariny mialoha azy ny zavatra tsara ho fantatra. (Am 3:7) Lasa mora voafitaky ny demonia kosa ny olona miala amin’i Jehovah, izay mahalala ny hiafaran’ny zava-drehetra. Izany, ohatra, no nanjo an’i Saoly. Nanontany an’i Jehovah izy taloha mba hahalalana ny hoavy. Tsy nifandray taminy intsony anefa Andriamanitra rehefa nivadika izy. Tany amin’ny demonia indray àry izy no nitady tari-dalana.​—1Sa 28:6, 7; 1Ta 10:13, 14.

Tsy mitovy mihitsy ny fomba ampitan’Andriamanitra ny fahamarinana sy ny ataon’ny mpisikidy. Ataon’ny demonia mihinjitrinjitra matetika ny mpisikidy. Hoatran’ny adala koa ny mpisikidy indraindray rehefa mandre mozika hafahafa na mihinana zava-mahadomelina sasany. Tsy manao toy izany anefa ny mpanompon’i Jehovah, rehefa ampitenenin’ny fanahy masina. (As 6:15; 2Pe 1:21) Tsy nangata-bola koa ny mpaminaniny satria adidiny ny nilaza izay fantany. Ny mpisikidy mpanompo sampy kosa nitaky vola tamin’ireo nankany aminy.

Tsy milaza mihitsy ny Baiboly hoe tsara ny sikidy sasany. Miara-voatonona imbetsaka amin’ny fanitsakitsaham-bady sy ny fijangajangana ny fanaovana sikidy, izay voalaza fa samy ratsy. (2Mp 9:22; Na 3:4; Ml 3:5; Ga 5:19, 20; Ap 9:21; 21:8; 22:15) Mitovy ihany amin’Andriamanitra ny mikomy sy ny manao sikidy. (1Sa 15:23) Mifanohitra amin’ny Baiboly àry ny filazana fa mifandray amin’ny mpanompony amin’ny alalan’ny sikidy i Jehovah.

Mahery noho ny mpisikidy i Jehovah. Tsy manam-petra ny herin’i Jehovah raha oharina amin’ny an’ireo mpampiasa herin’ny maizina. Rehefa niova ho bibilava ny tehin’i Arona tamin’izy sy Mosesy niseho teo anatrehan’i Farao, dia toa nahavita hoatr’izany koa ireo Ejipsianina mpampiasa herin’ny maizina. Afa-baraka anefa izy ireo fa natelin’ny tehin’i Arona ny azy ireo! Toa nahavita nanova ny rano ho ra sy nampiakatra an-tanety ny sahona koa ireo mpisorona ejipsianina. Rehefa novan’i Jehovah ho moka anefa ny vovoka, dia voatery niaiky izy ireo fa ny “rantsantanan’Andriamanitra” no nahavita izany.​—Ek 7:8-12, 19-22; 8:5-11, 16-19; 9:11.

“Natao teo anatrehan’i Hamana [ratsy fanahy] ny Pora, na ny Antsapaka, ka [nojeren’ny mpanandro] ny andro sy ny volana tsirairay”, mba hahitana ny andro tsara handripahana ny vahoakan’i Jehovah. (Es 3:7-9) Hoy ny Fanazavana ny Baiboly Manontolo: “Nanontany mpanandro aloha ireo mpanjaka sy olona ambony tany Persa mba hahalalana ny fotoana mety vao nanao zavatra. Nanao toy izany koa i Hamana rehefa nijery izay andro tsara indrindra hanatanterahana ny teti-dratsiny.” (Nataon’i Jamieson, Fausset, ary Brown) Nanao zavatra avy hatrany i Hamana rehefa avy nanatona mpanandro. Mahery anefa i Jehovah ka navotany ny vahoakany. Nahantona teo amin’ilay tsato-kazo saika nanantonany an’i Mordekay i Hamana, ilay nitoky tamin’ny sikidy.​—Es 9:24, 25.

“Nitondra ny saran’ny fanaovana sikidy” ny Moabita, mba hanakaramana an’i Balama hanozona ny Israely. (No 22:7) “Nitady fambara ratsy” io mpisikidy avy any Mezopotamia io, kanjo tsy navelan’i Jehovah hilaza afa-tsy tsodrano. Voatery niaiky àry i Balama fa tena mahery i Jehovah. Hoy izy: “Tsy misy heriny eo amin’i Jakoba ny ozona famosaviana, ary tsy misy heriny eo amin’i Israely ny sikidy.”​—No toko 23, 24.

“Fanahin’ny pitôna.” Tamin’i Paoly nankany Filipy tany Makedonia no nifanena tamin’ny mpanompovavy iray nisy “fanahy ratsy, izany hoe nisy demonia mpilaza ny hoavy”, midika ara-bakiteny hoe “fanahin’ny pitôna” (gr.: pneoma pytôna; As 16:16). “Pitôna” no anaran’ilay bibilava resahin’ny angano fa niambina ny tempoly sy ny toerana masina tao Delphes, any Gresy. Lasa nantsoina hoe pytôn izay olona nahalala mialoha ny hoavy na ilay fanahy niteny tamin’ny alalany. Nilazana olona mahay miteny toy ny avy any an-kibo izy io tatỳ aoriana. Demonia nanampy ankizivavy haminany kosa izy io ao amin’ny Asan’ny Apostoly.