Sikota
(Sikòta).
Mety ho andriamanitra kintana matoa nolazaina fa “kintana andriamanitra.” (Am 5:26) Niniana nasiana teboka solon’ny zanatsoratra izy io ao amin’ny soratra hebreo nataon’ny Masoreta, mba hitovy fanononana amin’ny hoe shikkots (“zava-maharikoriko”). I Sikota ihany angamba ilay “Sakota”, anarana niantsoan’ny Babylonianina an’i Satiorna (andriamanitra kintana). Nadika hoe “ny tranolain’i Moloka” anefa ny hoe “Sikota mpanjakanareo” ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, ka mety ho izay no nahatonga an’i Stefana hampiasa an’ilay hoe “ny tranolain’i Moloka.” (As 7:43) Mety ho trano rantsankazo na tranolay masina nisy ny sarin’i Moloka sady azo nafindrafindra àry ilay hoe “Sikota.”—Jereo MPANANDRO (Moleka sy ny fanandroana tany Israely).