Silasy
(Silàsy), Silvano (Silvanô) [avy amin’ny teny lat., ary midika hoe “Ala”].
Lehilahy nitana andraikitra lehibe teo anivon’ny fiangonana kristianina tany Jerosalema, tamin’ny taonjato voalohany. Mpaminany koa i Silasy, ary niara-dia tamin’i Paoly, tamin’ny dia misionera faharoa nataony. Toa olom-pirenena romanina izy. (As 15:22, 26, 27, 32, 40; 16:19, 25, 37, 38) Azo inoana fa endriny latinina amin’ilay anarana grika hoe Silasy, nampiasain’i Lioka ao amin’ny Asan’ny Apostoly, ilay anarana hoe Silvano hita ao amin’ireo taratasy nosoratan’i Paoly sy Petera.
I Silasy no nofidin’ny fiangonana tany Jerosalema mba hiaraka tamin’i Barnabasy sy Paoly hiverina tany Antiokia, any Syria, ary hampita an’ilay fanapahan-kevitra momba ny famorana tamin’ny fiangonana tany.—As 15:22, 30-32.
Tsy fantatra raha nijanona tany amin’ny faritr’i Antiokia i Silasy, na niverina tany Jerosalema. Izao no voasoratra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 15:34, ao amin’ny sora-tanana sasany: “Mbola nankasitraka ny hijanona anefa i Silasy.” Tsy ahitana an’io andininy io ireo sora-tanana malaza indrindra. (Jereo TV, f.a.p.) Na izany na tsy izany, dia tany Antiokia i Silasy, teo am-piandohan’ny dia misionera faharoa nataon’i Paoly. Niainga tao izy sy Paoly ka nianavaratra, ary avy eo niankandrefana namakivaky an’i Syria sy Kilikia ary ny faritra hafa tany Azia Minora. Tonga nanatevin-daharana azy ireo i Timoty tany Lystra, ary toy izany koa i Lioka tany Troasy.
Hitan’i Paoly tao amin’ny nofy ny lehilahy iray nanasa azy hankany Makedonia. Niainga ho any i Paoly sy ireo niara-dia taminy, nefa nijanona tany Filipy aloha. Nasain’ny tompon’andraiki-panjakana nokapohina tamin’ny hazo i Silasy sy Paoly tao an-tsenan’io tanàna io, ary avy eo natao am-ponja sady nogejaina tamin’ny boloky hazo ny tongony. Nisy horohoron-tany anefa ny alin’iny, raha mbola nivavaka sy nihira izy ireo. Nivaha ny fatoran’izy ireo tamin’izay, ary nivoha ny varavaran’ny fonja. Natahotra be ny mpiambina. Nitory taminy i Paoly sy Silasy ka lasa Kristianina izy, ary notsaboiny ny ratran’izy ireo vokatr’ilay kapoka.—As 15:41–16:40.
Nisy vokany tsara ny fanompoan’izy ireo tany Tesalonika sy Beria. Mbola nijanona tany Beria i Silasy sy Timoty, fa i Paoly kosa nankany Atena sy Korinto. (As 17:1, 10, 14-16; 18:1) Tatỳ aoriana, dia tafaraka tany Korinto izy rehetra, ary nanampy an’i Paoly i Silasy sy Timoty tany, sady niaraka taminy rehefa nanoratra an’ireo taratasy roa ho an’ny Tesalonianina izy. (1Te 1:1; 2Te 1:1) Tsy voaresaka ao amin’ny fitantarana momba ny dian’i Paoly intsony i Silasy, taorian’izay.
“Tamin’ny alalan’i Silvano” no nanoratan’i Petera ny taratasiny voalohany, taona maromaro tatỳ aoriana, izany hoe tamin’ny taona 62 ka hatramin’ny 64 tany ho any, tamin’i Petera tany Babylona. Toa midika izany fa mpitan-tsoratr’i Petera izy. Voalaza ao hoe “rahalahy mendri-pitokisana” izy, ary azo inoana fa izy ihany ilay Silvano voaresaka etsy aloha hoe niaraka tamin’i Paoly.—1Pe 5:12.