Silema
(Silèma) [avy amin’ny fototeny midika hoe “mihavana; manonitra; mamaly izay natao”].
Iray amin’ireo efa-dahy zanak’i Naftaly, ary ny anarany no voatonona farany. Hita ao amin’ny lisitry ny ‘anaran’ny zanak’i Israely tonga tany Ejipta’ ny anarany. (Ge 46:8, 24) Razamben’ny fianakaviamben’ny Silemita izy. (No 26:49, 50) Nosoratan’ny Masoreta hoe Saloma ny anarany, ao amin’ny 1 Tantara 7:13. Silema kosa no hita ao amin’ny sora-tanana fito amin’ny teny hebreo.