Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Silo

Silo

(Sìlo) [Ilay Tompony; Izy no Tompony].

1. Nitso-drano an’i Joda toy izao i Jakoba tamin’izy efa ho faty: “Ny tehim-panjakana tsy hiala amin’i Joda, ary ny tehim-pahefana tsy hiala eo anelanelan’ny tongony, mandra-pahatongan’i Silo. Ary hankatò an’i Silo ireo firenena.” (Ge 49:10) Ny fokon’i Joda foana no nanana fahefana hitondra (tehim-pahefana) sy nanana zo ho mpanjaka (tehim-panjakana) nanomboka tamin’ny fanjakan’i Davida taranak’i Joda mandra-pahatongan’i Silo, izany hoe mandra-pahatongan’ilay tena mpandova ny fanjakana, izay haharitra eo amin’ny fitondrana. Talohan’ny haharava ny fanjakan’ny Joda, dia nilaza tamin’i Zedekia (mpanjaka farany tao Joda) tokoa i Jehovah fa homena an’ilay manan-jo ara-dalàna hahazo azy ny fanjakana. (Ezk 21:26, 27) Azo inoana fa i Silo io, satria ny anarana hoe “Silo” dia midika hoe “Ilay Tompony; Izy no Tompony.”

Taonjato maro tatỳ aoriana, dia i Jesosy Kristy ihany no taranak’i Davida nampanantenaina fa ho lasa mpanjaka. Hoy ny anjely Gabriela tamin’i Maria, talohan’ny hahaterahan’i Jesosy: “I Jehovah Andriamanitra hanome azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy. Ary ho mpanjaka eo amin’ny taranak’i Jakoba mandrakizay izy, ary tsy hifarana mihitsy ny fanjakany.” (Lk 1:32, 33) Tsy iza àry ilay antsoina hoe Silo fa i Jesosy Kristy, ilay “Liona avy amin’ny fokon’i Joda.”​—Ap 5:5; ampit. Is 11:10; Ro 15:12.

Hoy i F. Cook: “Nilaza ny boky jiosy fahiny rehetra fa faminaniana momba ny Mesia [ny Genesisy 49:10]. Hoy àry ny Targoman’i Onkelos: ‘Mandra-pahatongan’ny Mesia, izay tompon’ilay fanjakana.’ Hoy koa ny Targoman’i Jerosalema: ‘Mandra-pahatongan’ny Mesia mpanjaka, izay tompon’ilay fanjakana.’ ... Hoy ny Talmoda babylonianina [‘Sanhedrin’, 98b]: ‘Iza no anaran’ny Mesia? I Silo no anarany, satria voasoratra hoe mandra-pahatongan’i Silo.’”​—Fanazavana Hevi-teny, p. 233.

2. Tanàna tao amin’ny faritanin’i Efraima, tany “avaratr’i Betela, atsinanan’ilay lalambe miakatra avy any Betela mankany Sekema, ary atsimon’i Lebona.” (Mpts 21:19) Maro no milaza azy io ho i Kirbet Seilona (Shillo), tokotokony ho 15 km any avaratra avaratratsinanan’i Betela. Mifanaraka amin’ny fitantaran’ny Baiboly io toerana io: Eo ambony havoana izy io, ary avo kokoa ireo havoana manodidina azy, afa-tsy ilay lohasaha eo atsimoandrefany.

Napetraka tao Silo ny tranolay masina (Js 18:1), ary tao no namitana ny fizarana ny tany tamin’ireo Israelita. (Js 18:1–21:42) Nanao alitara teo akaikin’i Jordana ireo foko tany atsinanan’ilay renirano, taorian’izay. Nihevitra an’izany ho fivadiham-pinoana ny foko hafa ka nivory tao Silo mba hiady tamin’izy ireo. Rehefa nohazavaina hoe vavolombelon’ny tsy fivadihana amin’i Jehovah ilay alitara, dia voasoroka ny ady.​—Js 22:10-34.

Tatỳ aoriana, dia nisy miaramila israelita nahery fo 12 000 nandringana an’ireo mponin’i Jabesi-gileada, satria tsy nety niaraka tamin’ny foko hafa ny olona tao mba hiady tamin’ny Benjamita. Nentina tany Silo anefa ny zazavavy virjiny 400 avy tao Jabesi-gileada, ary nomena ho vadin’ireo Benjamita, avy eo. Rehefa tonga ny fety fanao isan-taona ho an’i Jehovah tany Silo, ka nandihy nanao faribolana ny zanakavavin’i Silo, dia naka an-keriny ny sasany tamin’ireo ny Benjamita mba ho vadiny, araka ny toromarika efa nomena azy ireo.​—Mpts 21:8-23.

Tao Silo foana ny tranolay masina nandritra ny ankamaroan’ny fotoana tantarain’ny bokin’ny Mpitsara. (Mpts 18:31; 1Sa 1:3, 9, 24; 2:14; 3:21; 1Mp 2:27) Rehefa niady tamin’ny Filistinina ny Israelita, taloha kelin’ny nahafatesan’i Ely Mpisoronabe, dia nalain’izy ireo tao amin’ny tranolay masina ny Vata masina ka nentiny tany an’ady. Nino mantsy izy ireo fa handresy raha teo aminy ilay Vata. Navelan’i Jehovah ho lasan’ny Filistinina anefa ilay Vata. Nafoin’i Jehovah i Silo matoa tsy niverina tany intsony ilay Vata, izay marika namantarana fa nanatrika teo Izy. (1Sa 4:2-11) Nafoin’i Jehovah tokoa i Silo, ary niresaka an’izany ny mpanao salamo. (Sl 78:60, 61; ampit. 1Sa 4:21, 22.) Niresaka momba an’izany koa i Jeremia rehefa naminany momba izay hataon’i Jehovah amin’ny tempoly ao Jerosalema.​—Je 7:12, 14; 26:6, 9.

Silo; Nampiasain’i Jeremia ho ohatra fampitandremana ny faharavany

Tamin’ny taonjato fahafolo T.K., dia nonina tao Silo i Ahia mpaminany. (1Mp 12:15; 14:2, 4) Rehefa nisy namono i Gedalia, tamin’ny 607 T.K., dia nisy lehilahy maromaro avy tany Silo (avy tao amin’ilay tanàna na avy teny amin’ny manodidina), nankany Jerosalema mba hanatitra sorona.​—Je 41:5.