Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Siloa

Siloa

(Silòa) [Mpandefa].

Toa anaran’ny lakandrano iray tao Jerosalema. Nisy lakandrano avy eo amin’ny vavan’ny Loharanon’i Gihona nidina nankany amin’ny Lohasahan’i Kidrona ary nivily nanaraka ny fototr’ilay havoana tany atsimoatsinanana ka hatrany amin’ny dobo teo amin’ny fihaonan’ny lohasahan’i Hinoma sy Tyropoeona. Mitsontsorika 4 mm na 5 mm eo ho eo isa-metatra ilay lakandrano, ka izany no mahatonga ‘ny ranon’i Siloa hisononòka.’ An’ohatra ilay “ranon’i Siloa” resahin’ny Isaia 8:6, ary manondro ny iavian’ny tena famonjena sy ny tsy fananana ahiahy.