Simea
(Simèa) [mety ho fanafohezana ny hoe Semaia, izay midika hoe “Nandre (Nihaino) i Jehovah”].
1. Levita Merarita.—1Ta 6:29, 30.
2. Razamben’i Asafa, ilay mpitendry zavamaneno tao amin’ny tempoly sady Levita anisan’ny fianakaviamben’i Gersona (Gersoma).—1Ta 6:1, 39, 43; Ek 6:16.
3. Zanakalahin’i Miklota, ary Benjamita havan’ny razamben’i Saoly Mpanjaka. Antsoina koa hoe Simeama i Simea.—1Ta 8:32; 9:35-39.
4. Zanakalahy fahatelo naterak’i Jese. Zokin’i Davida àry i Simea, izay antsoina koa hoe Sama.—1Sa 16:9; 2Sa 13:3, 32; 1Ta 2:13, 15; 20:7; jereo SAMA No. 2.
5. Zanakalahin’i Batseba tamin’i Davida. (1Ta 3:5) Antsoina koa hoe Samoa izy.—2Sa 5:14; 1Ta 14:4.