Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Simeona

Simeona

(Simeôna).

[1, 2, 5: Mandre].

1. Ny faharoa tamin’ireo zanakalahy 12 naterak’i Jakoba. Nantsoina hoe Simeona izy, satria hoy i Lea reniny: “Nihaino i Jehovah, noho izaho nankahalaina, ka nomeny an’ity koa aho.”​—Ge 29:32, 33; 35:23-26; 48:5; Ek 1:1-4; 1Ta 2:1, 2.

Nisy fotoana nitobian’i Jakoba rainy tao Sekema. Tamin’izay no nisy nametaveta i Dina anabavin’i Simeona, ka tezitra be i Simeona sy Levy zandriny, ary tena nasiaka sy lozabe sady te hamaly faty. Nentim-po izy ireo, ka tsy niteniteny sady tsy niera tamin’ny rainy fa tonga dia novonoiny ny mponin’i Sekema. Nahatonga loza tamin’ny ankohonan’i Jakoba manontolo izy ireo, vokatr’izany.​—Ge 34:1-31.

Niray tsikombakomba tamin’ireo rahalahiny i Simeona tatỳ aoriana, mba hamonoana an’i Josefa. (Ge 37:12-28, 36) Marina fa i Simeona no nanarakaraka ny lahimatoa, nefa tsy lazain’ny Baiboly hoe izy sa tsy izy no nitarika an’ireo rahalahiny hamono an’i Josefa. Izy anefa no nasain’i Josefa natao am-ponja, taona maro tatỳ aoriana, rehefa nitsapa an’ireo rahalahiny i Josefa, izay mpiandraikitra ny sakafo tany Ejipta. Tsy nafahana i Simeona raha tsy efa nentin’ireo rahalahiny tany Ejipta i Benjamina.​—Ge 42:14-24, 34-36; 43:15, 23.

Nitso-drano an’ireo zanany lahy i Jakoba taloha kelin’ny nahafatesany. Mbola tadidiny ny herisetra nataon’i Simeona sy Levy tamin’ireo mponin’i Sekema, taona maro talohan’izay, ary hita fa mbola tsy nankasitrahany izany. Hoy izy momba azy roa lahy: “Fitaovana entiny mihetraketraka ny sabatra famonoany. Koa enga anie aho tsy hiditra ho isan’ny namany, na ho tafaray amin’ny fiangonany! Fa tamin’ny fahatezerany no namonoany olona, ary hasomparana fotsiny no nanapahany ny hoza-tongotry ny omby. Ho voaozona anie ny fahatezeran’izy ireo satria lozabe, ary ny fisafoahany satria masiaka! Hozarazaraiko eny amin’ny tanin’i Jakoba sy haparitako any amin’ny Israely izy ireo.” (Ge 49:5-7) Nasehon’i Jakoba àry fa tsy hahazo ny zon’ny lahimatoa mihitsy (izay nafoin’i Robena zokiny) i Simeona, na dia mety ho nanantena an’izany aza. Nanan-janakalahy enina i Simeona, ary nateraky ny vehivavy kananita ny iray. Araka ny faminanian’i Jakoba, dia ‘niparitaka’ ny anjara lovan’ny fokon’i Levy sy ny an’ny fokon’i Simeona. Ny an’i Simeona aza tanàna maromaro niparitaka tao anatin’ny faritanin’i Joda.​—Ge 46:10; Ek 6:15; 1Ta 4:24; Js 19:1.

2. Ilay foko avy amin’ireo fianakaviamben’izy enin-dahy zanak’i Simeona, izany hoe i Jemoela, Jamina, Ohada, Jakina, Zohara, ary Saoly. (Ge 46:10; Ek 6:15) Nitoby niaraka tamin’ny fokon’i Robena sy Gada teo atsimon’ny tranolay masina ny fokon’i Simeona, tany an-tany efitra. Ny fokon’i Robena no nitarika an’io fizarana nisy foko telo io, ary mbola toy izany ihany rehefa niainga ny toby. I Selomiela no mpiadidy sy mpifehy ny tafika teo amin’ilay foko.​—No 1:4, 6; 2:10-15; 10:18-20.

Nihena ny isan’ny olona tao amin’ilay foko. Rehefa natao ny fanisam-bahoaka voalohany, herintaona taorian’ny nialan’ny Israelita tany Ejipta, dia nisy 59 300 ireo vatan-dehilahy 20 taona no ho miakatra sy azo nalefa hiantafika, tao amin’ny fokon’i Simeona. (No 1:1-3, 22, 23) Nihena be anefa ny isan’izy ireo ka lasa 22 200 sisa, tokotokony ho 39 taona tatỳ aoriana, rehefa natao ny fanisam-bahoaka faharoa. Nihena 62 isan-jato mahery àry ilay foko, ary mbola tsy nisy foko nihena be toy izany.​—No 26:1, 2, 12-14.

Tsy nanonona ny anaran’i Simeona i Mosesy, tamin’izy nitso-drano ny Israelita talohan’ny nahafatesany. Tsy midika anefa izany hoe tsy nahazo fitahiana ilay foko. Nitso-drano ny Israely tamin’ny ankapobeny mantsy i Mosesy tamin’ny farany, ka voakasik’izany koa i Simeona. (De 33:6-24, 29) I Simeona no voatonona voalohany tamin’ireo foko nasaina nitsangana teo amin’ny Tendrombohitra Gerizima mba hanonona fitahiana.​—De 27:11, 12.

Rehefa nozaraina ho an’ny foko tsirairay ny Tany Nampanantenaina, dia tsy nomena faritany iray tsy mivaky ny fokon’i Simeona, satria nihena ny isan’ny olona tao aminy. Tanàna maromaro tao anatin’ny faritanin’i Joda kosa no nomena azy. Tanteraka àry ny faminaniana nolazain’i Jakoba 200 taona teo ho eo talohan’izay, tamin’izy efa ho faty. (No 34:16-20; Js 19:1-9; ampit. Ge 49:5-7.) Nanampy ny fokon’i Joda ny fokon’i Simeona, rehefa niady tamin’ny Kananita izy ireo mba hahazoana an’io faritany io. (Mpts 1:1-3, 17) Nisy tanàna maromaro nomena ny fokon’i Levy koa tao amin’ny anjara lovan’i Simeona.​—Js 21:4, 9, 10; 1Ta 6:64, 65.

Mbola voaresaka tatỳ aoriana. Mbola voatonona matetika ny Simeonita, tamin’ny andron’i Davida (1Ta 4:24-31; 12:23, 25; 27:16), sy Asa (2Ta 15:8, 9), ary Josia (2Ta 34:1-3, 6, 7). Voatonona, ohatra, izy ireo ao amin’ilay fitantarana momba ny ezaka nataon’i Josia mba hamerenana ny fivavahana marina tao Joda. Hita avy amin’ilay fitantarana fa na dia tao amin’ny faritanin’i Joda aza ny faritanin’i Simeona, dia nanohana an’ilay fanjakana tany avaratra ny Simeonita sady nanaraka ny fivavahan’ilay fanjakana. Toa tamin’ny andron’i Hezekia no nisy Simeonita 500 lahy namely ny sisa afa-nandositra tamin’ny Amalekita, ary avy eo nonina tao amin’izay nisy azy ireny.​—1Ta 4:41-43.

Voatonona ao amin’ireo faminaniana ao amin’ny Ezekiela sy ny Apokalypsy ny anaran’i Simeona sy ny anaran’ireo foko hafa teo amin’ny Israely. Tao amin’ny fahitan’i Ezekiela momba ny Tany Nampanantenaina, dia teo anelanelan’ny faritanin’i Benjamina sy Isakara ny faritanin’i Simeona, izany hoe teo atsimon’ilay “fanomezana masina.” Teo amin’ny lafiny atsimo tamin’ilay tanàna masina koa ilay vavahady nampitondraina ny anaran’i Simeona sy ny vavahadin’i Isakara ary ny vavahadin’i Zebolona. (Ezk 48:21-25, 28, 33) I Simeona no foko fahafito ao amin’ilay fahitana momba ireo 144 000 voaisy tombo-kase, resahin’ny Apokalypsy.​—Ap 7:7.

[3, 4, 6, 7: avy amin’ny fototeny midika hoe “mandre; mihaino”].

3. Anisan’ny razamben’i Maria renin’i Jesosy.​—Lk 3:30.

4. Iray tamin’izy valo lahy taranak’i Harima. Nandroaka ny vadiny mpanompo sampy sy ny zanany tamin’ireny vehivavy ireny i Simeona, noho ny fampirisihan’i Ezra.​—Ezr 10:10, 11, 31, 32, 44.

5. Lehilahy iray zokiolona tonga tao amin’ny tempoly tamin’ilay andro nitondran’i Josefa sy Maria an’i Jesosy zanany kely tao. Olo-marina sy natahotra an’Andriamanitra i Simeona. Nahariharin’Andriamanitra taminy fa tsy ho faty izy raha tsy efa mahita an’i Kristy. Notrotroiny àry ilay zaza sady nidera an’i Jehovah izy. Notarihin’ny fanahy masina izy ka nilaza tamin’ny renin’ilay zaza hoe: “Ity zaza ity no atao ho fandavoana sy fananganana ny maro amin’ny Israely.” Naminany koa i Simeona fa halahelo be i Maria, ka ho toy ny voatrobaky ny sabatra izy, rehefa hahita an’io zanany io mijaly be alohan’ny hahafatesany.​—Lk 2:22, 25-35.

6. Endriny hafa amin’ny anaran’i Simona (Petera). Nampiasa an’io anarana io indray mandeha i Jakoba, izay anisan’ilay filan-kevitra tany Jerosalema.​—As 15:14.

7. Iray tamin’ireo mpaminany sady mpampianatra teo anivon’ny fiangonana tany Antiokia, any Syria. Nametra-tanana tamin’i Barnabasy sy Paoly izy, rehefa voatendrin’ny fanahy masina ho misionera izy roa lahy. Nantsoina koa hoe Nigera i Simeona.​—As 13:1-3.